Taxi-brousse ny fiara ary mampitohy ny lalam-pirenena faha-12 (RN 12). Izany hoe miainga Vangaindrano ary miakatra eto an-drenivohitra. Teo amin’ny sakana izay miandraikitra ny fanaraha-maso ny entana taterina (barrage économique), teo Farafangana, no nitranga ny olana. Tsy nety nosavàna ny fiara, nandà mafy ny mpamily. Teo no nipetraka ny ahiahin’ny mpitandro ny filaminana. Tapaka ary hevitra teo fa hoentina eny amin’ny kaomisaria ao an-toerana ny fiara. Tao no natao ny fisavàna ary teo koa no nipoitra ny nafenina. Feno rongony tao ambanin’ny fiara. Tsy hita maso avy ety ivelany izany satria efa namboarina tanteraka ny vatan’ny fiara. Nasiana fitoerany izay mihidy tsara ary tsy hita mihitsy raha tsy noravàna izany. Raha araka ny vaovao azo dia milanja 56 kilao ny rongony ary mbola nisy café telo gony koa tao. Nosamborina avy hatrany ny mpamily sy olona roa hafa tao anatiny izay mpiray tsikombakomba amin’ny fitarerana rongony sy trafika café. Ny mpandeha tamin’ilay taxi-brousse kosa dia nafindra fiara hafa ary dia afaka nandeha soa aman-tsara aty an-drenivohitra.
D.R