Efa leoleony tokoa ary ve ny olona amin’izao fotoana izao no tsy miraharaha intsony ny fisian’ny mpitandro filaminana fa dia manao izay fitsaràny azy irery ? Lehilahy iray, manodidina ny 50 taona eo, voalazan’ireo mponina fa adala, no matin’ny fokonolona teny amin’ny faritra Ankazomanga iny. Raha ny filazan’ireo olona teny an-toerana dia toa mamono olona io rangahy io, ary midaroka izay mpandeha rehetra hitany eny an-dalany. Omaly hariva dia nisy olona voalaza fa novoinoin’ity lehilahy ity. Tena naratra mafy tokoa angaha, raha ny fitantaran’ireo nanatri-maso, satria dia nijininika ny rà teny an-toerana. Nitangoronan’ny fokonolona ity lehilahy voalaza fa adala ity, nitazona azy tamin’izany famonoana nataony izany. Ny sasany tamin’izy ireo, araka ny nambaran’ireo mponina hatrany, tsy nahatana ny hatezerany intsony ka rafitra namono ity lehilahy ity. Mafimafy ihany ny daroka nahazo azy ka torana tsy nahatsiaro tena teny an-toerana ity rangahy io. Nisy nitondra teny amin’ny toeram-pitsaboana ity rangahy ity, nefa, araka ny fantatra, dia tsy tana intsony ny ainy. Ny daroka mafy nahazo azy nitondra ratra tany anatiny tany no nitarika izao fahafatesany izao, raha ny voalaza hatrany. Mitaky fandraisana andraikitra amin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny amin’ity resaka olona adala mivenjiveny eran’ny lalan’ny Renivohitra ity. Raha amin’ity resaka olona adala mamono olona ity, dia misy amin’izy ireo no mitondra zava-maranitra ka mandratra izay olona sendra azy, raha tsy hiteny afa-tsy ilay niseho teny Anosizato, volana maromaro lasa izay. Naratra mafy toa an’ireo mpandeha voasilaky ny famaky ihany koa ity olona voalaza fa adala ity, fa mba avotra ihany.
m.L