Renim-piakanaviana iray no nampijalijaliana, nampisotroina asidra, rehefa avy nodarohina, ny alahady lasa teo, teny amin’ny faritra Ankadindratombo teny. Raha ny voalazan’ireo olona teny an-toerana dia may tanteraka ny tarehin’ity ramatoa ity, niraikitra ny vavany ary efa tsy nihetsika intsony no naterina teny amin’ny toeram-pitsaboana. Araka ny vaovao voaray dia nentina nivoaka ny tanana misy azy ity ramatoa ity no nampiharana izao habibiana tsy roa aman-tany izao. Raha ny filazan’ny olona mantsy, roatokom-bolana lasa izay, lehilahy iray tao amin’ny fianakavian’ity ramatoa ity hatrany no nindaosin’ny fahatesana rehefa avy nampijaliana sy toa nampisotroina asidra toy izany ihany koa. Fantatra ihany koa, raha ny voalazan’ireo mponina teny an-toerana hatrany, fa toa hoe misy fifandirana amina olona amin’ny resaka tany izany ireto fianakaviana ireto. Tamin’io tranga voalohany namoizana ain’olona io dia toa hoe tsy nametraka fitoriana ireo niharam-boina, satria tsy fantatra mazava izay nahazo ilay olona, fa izy efa nandoa rà, nanary aina no nahataitra ny fianakaviana. Hatreto dia mbola tsy fantatra mazava izay ao ambadik’izao fampijaliana mihoam-pampana izao. Avotra soa aman-tsara ihany moa ity renim-pianakaviana ity rehefa avy nahazo ny fitsaboana sahaza ho azy.
m.L