- Publicité SW45 -
mercredi, janvier 15, 2025
AccueilFaits-DiversAntanimena : Trano nirehitra, vehivavy lehibe iray maty, may kilan’ny afo

Antanimena : Trano nirehitra, vehivavy lehibe iray maty, may kilan’ny afo

Nijofolotra ny setroka, nanaka-danitra ny lelafo. Hain-trano mahatsiravina no nitranga tetsy Antanimena ambany, omaly vao maraina. Vehivavy lehibe tokony ho 90 taona any ho any no namoy ny ainy tao anatin’izany.

Tokony ho tamin’ny efatra ora sy dimy minitra teo izahay no naharay antso, hoy ny fanazavana azo avy amin’ny Lehiben’ny mpamonjy voina tetsy Tsaralalàna, tamin’ny efatra ora sy 11 minitra no niainga ny fiara ary efatra minitra taorian’izay dia tonga teny an-toerana. Afo miredareda efa nandevona iny rihana ambony rehetra iny no hita. Tsy niandry ela fa avy hatrany dia nampiasa ny maha-matihanina azy ireo ireto mpamonjy voina ireto. Telopolo minitra taorian’izay dia efa voafehy ny afo, tsy hitatra intsony tamin’ireo trano manodidina. Fotoana fohy taorian’izay moa no maty tanteraka.

Araka ny angom-baovao azo teny an-toerana dia ramatoa lehibe iray, izay tompon-trano ary mipetra-drery tao amin’io trano niharan-doza io no voafandriky ny afo ka tsy tafavoaka intsony. Amin’ny efatra maraina izany rahateo, mbola ao anaty torimaso mazàna ny olona, indrindra fa ireo olona efa nahazo taona tahaka ity vehivavy mampahonena ity. Vatana efa kila forehitra no hitan’ireo mpamonjy voina tao an-trano, raha ny vaovao azo hatrany. Hatreto dia tsy mbola fantatra mazava izay tena antony nahatonga ny loza. Vinavina sy resaka nandeha teny an-toerana ihany ny hoe vokatry ny herinaratra na « court-circuit ». Ilay trano rahateo ihany koa efa somary tranainy ihany ka mety maro tamin’ireo akora tao anatiny no mora nirehitra. Etsy andanin’izay, tao ambony rihana no niainga ny afo ary ny tao ihany koa no tena voa mafy. Efa tonga teny an-toerana, taorian’ireo mpamonjy voina moa ireo tompon’andraikitry ny fokontany sy ny pôlisy. Ireo farany izay nanao ny fanadihadiana ny zava-nisy teny an-toerana ary nanokatra famotorana. Amin’ny loza mitranga tahaka izao tokoa, indrindra fa nisy aina nafoy dia tsy maintsy manantanteraka izany ireo mpitandro filaminana : mety ho azo heverina hatrany mantsy ny hoe hain-trano niniana natao ny nitranga.

Ny vatana mangatsiakan’ilay tompon-trano kosa efa nalain’ireo fianakaviany, taorian’ny fitsirihana tsy maintsy natao.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici