- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversItaosy : Mpanendaka mandeha moto manao akanjona mpitandro filaminana

Itaosy : Mpanendaka mandeha moto manao akanjona mpitandro filaminana

jiolahy-1Taorian’ny fitoriana nataona vehivavy iray voendaka avy nivavaka teny amin’ny faritr’Itaosy, ny faha-3 aogositra lasa, dia olona roa no fantatra fa nosamborina. Fantatra izy ireo fa mandeha moto rehefa manendaka olona. Natao ny fikarohana sy ny fanadihadiana tamin’ny alalan’ireo laharana finday nifampiantso tamin’ilay olona izay efa nandrenesam-baovao sy narahan’ny polisy maso amin’ireo asa fanendahana mpitranga amin’iny faritra Itaosy sy ny manodidina. Taorinan’ny vaovao marim-pototra natao no nisamborana ny lehilahy iray teny Ankazotoa, ny 17 septambra 2014, ary izy avy eo no nanondro ny namany hafa mpiara-manao asa ratsy aminy ny ampitson’ny nahasamborana ity voalohany, ary mbola voasambotra teny Ankazotoa ihany ny 18 septambra 2014. Nandeha haingana ny raharaha teo. Nosavaina ny tranon’izy roa lahy ireo. Paoketra marobe sy Baiboly misy anaran’olon-kafa ary fanalahidy miisa 105, sy antsy lava lehibe iray mihosin-dra, antsy fitondra miady iray , lefona marani-doha iray ary fanamiana mpitandro filaminana maromaro sy T-shirt iray feno rà. Tamin’ny famotorana natao tamin’ireto jiolahy ireto no nilazany fa mitondra môtô izy ireo rehefa manendaka olona, ka amin’ny faritra ahafahan’ny môtô mandositra no anaovany ny asa ratsiny, toy ny eny Avarabohitra, Vinany, Ampitatafika, Andoharanofotsy, Mahamasina sy Isotry. Nolazain’izy ireo fa anaovany ireo fanamiana mpitandro ny filaminana ireo amin’izany ary rahonany hotofirina ny olona rehefa mitady hanohitra azy ireo. Nanamafy izany ny ramatoa iray tompon’ilay baiboly izay voaendak’ireto olon-dratsy ireto rehefa nantsoin’ny polisy tamin’ilay laharana finday nipetraka tamin’ilay baiboly. Tsy ireo roa lahy ireo ihany no manao izao fanendahana izao fa misy namany mbola mandehandeha any.

Tamin’ny sabotsy teo no natolotra ny fitsarana izy ireo.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser