Maty tsy tsa-drano. Mpandroaka fako amin’ireny dabam-pako marobe eto an-drenivohitra ireny no asany ary mandeha amin’ny kamiao mavobe manatontosa izany. Tamin’ity indray mitoraka ity anefa dia nianjera avy eny ambony kamiao feno fako izy ary voahitsak’ilay fiarakodia lehibe izay notaingenany ihany. Mety ho sempotra ve na koa nihetsika aretina ? Sa mety ho antony hafa toy ny hoe fijanonana tampoka be loatra ka nahatonga azy nianjera avy eny ambony eny ? Mendrika ny mba ho lasa lavitra ihany ny fanadihadiana amin’ity tranga ity, satria isan’ny olona mizaka ny tsy eran’ny aina ireny mpaka fakon’ny kaomina ireny.
D.R