- Publicité SW45 -
dimanche, décembre 22, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnjiro Moramanga : Tovovavy very, mitaky 20 tapitrisa ariary ireo olon-dratsy mitazona azy

Anjiro Moramanga : Tovovavy very, mitaky 20 tapitrisa ariary ireo olon-dratsy mitazona azy

Akanjo jogging gris sy pataloha Jeans efa somary vasoka misy tsipika fotsy ny sisiny ary kapa menamena. Ireo nanaovan’i Sannie tamin’ny fotoana tsy nahitàna azy.

Ny alatsinainy hariva lasa teo no tsy hita tany nanjavonana intsony i Raharimiantsa Sannie rehefa avy nandefa hafatra fohy tamin’ireo ray aman-dreniny fa nisy olona nampiahiahy nibata azy. Tovovavy 21 taona ity olona nisy naka an-keriny ity ary monina ao Ambotsitompo, Sabotsy Anjiro, Moramanga. Iray andro taty aorian’io tsy nahitàna azy io, raha ny fitantaran’ny olona akaiky azy dia nahazo hafatra fohy avy tamin’ireo olona nitazona azy ny fianakaviana. Hafatra izay mitaky vola an-tapitrisany (20 tapitrisa ariary) ho tambin’ny famotsorana ity tovovavy ity. « Laharana finday hafa fa tsy azy akory ny nahatongavan’io hafatra io, ny talata hariva lasa teo » hoy Atoa Maurice, isan’ireo fianakaviny, mitebiteby amin’izao tsy fahitàna azy izao. Raha hiverenana kely mantsy, dia tsy lavitry ny tranony, tao Ambohitsitompo mihitsy izy no voalaza fa nisy naka an-keriny, araka ny hafatra fohy nalefany farany tamin’ireo fianakaviany. Mbola afaka nandefa « message » izy taorian’io, raha ny fitantaran’ny fianakaviana hatrany. « Araky ny « message » nalefany taminay fianakaviana dia hoe nantsoina lehilahy anankiroa izy. Vao nanantona azy ireo dia nobatainy nankao anaty fiara ary nentiny niakatra. Niala sahabo ho 20 metatra ny tranony ny tadidiny farany ary fanina izy nanomboka teo». Nezahin’ireo fianakaviana nantsoina taorian’io saingy efa tsy nandeha intsony ilay finday, tsy hita intsony i Sannie, raha ny fanazavana azo hatrany. Tsy nisy vaovao azo intsony, raha tsy tamin’io talata hariva io, andro nandefasan’ireo olon-dratsy mitazona azy ilay hafatra mitaky ilay vola. Taorian’io ihany moa dia efa nampandre ny zandary tao amin’ny zana-tobi-paritra tao Anjiro ny fianakaviana. Tamin’io fotoana io ihany dia efa nametraka ny paik’ady rehetra sy ny fanadihadiana, entina hikarohana ity tovovavy ity ireo mpitandro filaminana any an-toerana. Miantso ihany koa, ireo rehetra izay mety manam-baovao rehetra mahakasika an’ity tovovavy ity, mba hampilaza avy hatrany azy ireo na ny fianakaviana. Hatreto moa dia miara-manontany tena ny rehetra, raha mety ho iray tarika amin’ireo trangana « halatr’olona » miseho lany eto an-drenivohitra ity zava-nisy tany Sabotsy Anjiro ity na ho isan’ireo tranga fakàna an-keriny any ambanivohitra, izay nahazo vahana teo aloha teo tany amin’iny faritra iny sy ny manodidina azy. Na iry voalohany anefa na ity faharoa dia milaza ny zandary any an-toerana, tamin’ny alalan’ny tompon’andraikitra any an-toerana fa efa manao ny ainy tsy ho zavatra izy ireo hiadiana amin’izany : hanavotana ireo lasibatra ary hisamborana ireo olon-dratsy. Vao tsy ela akory mantsy izay no nisy jiolahy rain-dahiny fanta-daza amin’ny resaka fakàna an-keriny no lavon’ireo zandary tany an-toerana.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici