- Publicité SW45 -
lundi, décembre 23, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFihotazana lavanila tsy ara-dalàna : Enina gony milanja 140kgs saron’ny zandary

Fihotazana lavanila tsy ara-dalàna : Enina gony milanja 140kgs saron’ny zandary

Na mbola tsy fihotazana ny lavanila aty amin’ny faritra atsinanana aza izao dia tsy vitsy ireo mpamboly izany no efa mioty sahady ny vokatra hialana amin’ireo mpangalatra. Eo ihany koa anefa ny fasahiranana navelan’ny fihibohana roa taona nifanesy teo ireny, ary ny fiakaran’ny vidim-piainana misy amin’izao fotoana izao izay tsy hitan’ny fanjakana akory. Ny tena antony koa anefa dia ny firongatry ny halatra ataon’olona amin’ny lavanila eny an-tsaha, ary mazana dia tena manararaotra ireo jiolahy mandritra ny halatra lavanila ataony eny an-tsaha eny. Mazava anefa ny lalana fa izay tratra mioty lavanila sy mitondra lavanila alohan’ny 22 jona taom-pihotazana ny lavanila ho an’ny faritra atsinanana dia tsy manara-dalana ka tsy maintsy potehina. Vokatra izay ary dia tovolahy manodidina ny 25 taona hitan’ny fokonolona tao amin’ny fokontany Ambodisakoana kaominina ambanivohitra Fanandrana ny faran’ny herinandro teo, fa efa mitondra lavanila hamidy etsy sy eroa ka nampandre ny kompanoan’ny zandary Toamasina izy ireo. Tsy niandry ela noho izany ny komandin’ny kaompania, kapiteny Josephin Henistela, fa avy hatrany dia nidina tany an-toerana nanao ny fanarahan-dia, ka sarona noho izany ilay tovolahy mitondra ilay lavanila izay natao tao anaty lasaka miisa eny milanja 140Kgs. Toy ireny fitondrana arina ireny no nitondrany izany lavanila izany, ary mbola olona iray hafa koa karohana amin’izao raharaha lavanila tsy nanara-dalana tamin’ny fihotazana azy izao. tombanana ho 10 tapitrisa ariary ireto lavanila tsy nanara-dalana ireto, hoy ny zandary nanazava.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici