- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversHotanterahina any Tongobory : Toliara ny fandevenana an-dRasoa Kininike

Hotanterahina any Tongobory : Toliara ny fandevenana an-dRasoa Kininike

Nalaina tamin’ny fiaramanidina manonkana tany Antsalova omaly hariva ny nofo mangatsiakan-dRtoa Rasoa Kamisy Claudine, na Rasoa Kininike, 36 taona, teraka ny 13 mey 1978 tao Tongobory, distrikan’i Betioky Atsimo, ary niaretan-tory tao amin’ny kianja mitafo Mahamasina. Anio alarobia tolakandro raha tsy misy ny fiovana amin’ny ora farany no hihazo an’i Toliara ny nofo mangatsiakan’ity mpanakanto nanandratra avo ny gadona Tsapiky sy Kininike ity, alohan’ny handevenana azy any an-tanindrazany, ao Tongobory.

Naratra, tsaboina eto an-drenivohitra

Raha ny fampitam-baovao azo farany omaly hariva tamin’ny 4 ora dia nigadona teny Ivato ireo naratra tamin’iny lozam-pifamoivoizana nitranga tany Antsalova ka nahafaty an-dRasoa Kininike iny, ka anisan’ny  tsaboina eto an-drenivohitra ny zanany lahy, Liko, sy mpandihy vavy izay « cousine »-ny ihany naratra mafy. Raha ny fanazavan’i Mamy Gotso sy Pascal vadin-dRasoa Kininike nitafa tamin’ny mpanao gazety omaly antoandro tamin’ny iray ora, tao amin’ny Lapan’i Tsmibazaza, dia tsy maintsy nalaina tamin’ny fiaramanidina manonkana ny razana satria natahorana ho simba. Raha mandeha fiara, hoy izy ireo, dia roa andro mahery vao ho tonga eto an-drenivohitra.

Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser