- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Zazalahy 10 taona namono bibilava, maty niolan-tenda

Toliara : Zazalahy 10 taona namono bibilava, maty niolan-tenda

Mbola maro ireo toerana sy biby manan-jina eto amintsika, indrindra ny any amin’ny faritra Atsimon’ny nosy iny. Ny asabotsy teo dia ankizilahy 10 taona namono bibilava no maty namoy ny ainy tamin’ ny fomba hafahafa tsy mampino, niolan-tenda, tany Andranovory Toliara II. Raha ny vaovao voaray avy any an-toerana dia niara-nilalao tamin’ny namany teny am-piandrasana omby ity zazalahy ity no nahita bibilava ka novonoiny, rehefa avy nolalaoviny, ny zoma maraina teo. Tonga tany an-tranony izy ny harivan’io dia nitaraina ho narary an-doha, avy eo niolakolaka toy ny bibilava ny tenany iray manontolo, ary ny ampitson’io izy no namoy ny ainy rehefa nijaly nandritra ny ora maro. Ny alin’ny zoma io ihany, raha ny vaovao voaray hatrany, dia nilaza ity zazalahy ity fa mahita olona mampahatahotra azy, kanefa ny ao an-trano tsy mahita izany, ary nanomboka teo dia nivalomainty ny tenany, avy eo nanao fihetsika bibilava. Maro tamin’ny olona teo an-tanàna sy tamin’ireo toerana manodidina no tsy nino raha nandre ny vaovao tamin’ny fomba mahagaga nahafaty an’ity zazalahy ity. Ny alatsinainy teo izy no nalevina rehefa vita ny fombafomba samihafa tsy maintsy natao noho ny fomban-tany.
Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser