- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-Divers67 HA – Ankasina : Ankizivavy 11 taona, naolan’ny raibeny

67 HA – Ankasina : Ankizivavy 11 taona, naolan’ny raibeny

Ankizivavy 11 taona miara-mipetraka amin’ny raibeny etsy 67 ha, fokontany Ankasina, no voalaza fa naolan’ny dadabeny 62 taona, ny marain’ny alahady teo, rehefa nandeha nivavaka tany am-piangonana ny rehetra. Ity zazavavy ity kosa nijanona tao an-trano nanavy. Raha ny fanazavana azo nandritra ny angom-baovao dia efa mamomamo ny raibeny tamin’io ary tsy nisalasala nisafofaso sy nanao ary nahavita fihetsika mamoafady tamin’ny zafikeliny izay efa kamboty ray roa taona lasa izay, ary ny reniny kosa sahirana ara-pivelomana mikarama manasa lamba sy mitsindroka « sachet » sy kapoaka ary tavoahangy amidy.

Rahonany hovonoina. Raha ny fanazavana azo dia tsy vao sambany ity dadilahy ity no nanao ny filan-dratsiny sy fihetsika mamohetra tamin’ny zafiny, ary efa mahina amin’ny fihetsiny ny manodidina, satria rahonany tsy homeny sakafo sy hovonoiny ity zafikeliny raha tsy mety manao na manatanteraka ny filan-dratsiny. Nentin-tahotra ilay voatavo tsy mifandraka ka nanaiky. Tato ho ato dia nisesisesy ny fanolanana sy fanodikodinana ankizy tsy ampy taona. Aiza ny tompon’andraikitra amin’ny fampiharana ny lalàna fa ho potika sy ho simba tanteraka ny hoavin’ny zaza malagasy.

Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser