- Publicité SW45 -
dimanche, décembre 22, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-Divers; ao Anivorano Avaratra : Vehivavy lehibe iray, norambasan’ny voay, nentiny tanaty rano

; ao Anivorano Avaratra : Vehivavy lehibe iray, norambasan’ny voay, nentiny tanaty rano

Farihy manan-kasina

Tranga hafa kely tsy dia fandre loatra no nitranga tao amin’ny farihy manankasina Antagnavo, any Anivorano Avaratra, any Antsiranana iny. Vehivavy lehibe iray, tokony ho 41 taona no tsy hita hatram’izao rehefa norambasan’ny voay ary nentiny nitsofoka anaty rano. Araka ny nambaran’ny tompon’andraikitry ny filaminana any an-toerana dia ny sabotsy lasa teo no nitranga ity zava-doza ity ary mbola eo am-pitadiavana azy ny rehetra any an-toerana hatramin’ny omaly. Raha ny fanazavana azo hatrany dia vehivavy anankiroa izy ireo no tonga tao amin’io toerana io. Vehivavy avy any Sambava any ary nikasa ny hangatam-pitahiana tao. Tsy nisy fampahalalana ny tompon-tany akory anefa ahafantarana izay mety ho fadin’izany farihy manankasina izany fa avy hatrany dia nivantana teny izy ireo. « Ilay namany no nanatona ilay toerana fangataham-pitahiana fa ity vehivavy ity kosa nandeha avy hatrany teny amoron-drano sy nanatona ireo voay. Ary tamin’izay no niseho ny loza » hoy hatrany ny filazan’ny zandary any an-toerana. Ity namany ity araka izany no niezaka niantso vonjy tamin’ireo fokonolona saingy efa tsy hita intsony ilay namany. Mazana amin’ny toe-javatra tahak’izao dia tsy hoe hohanin’ireo voay akory izay olona sendra izany fa vonoin’izy ireo ary mipoitra ihany ny vatana mangatsiakany telo na efatra andro aty aoriana. « Raha ny marina dia tsy masiaka ireo voay ireo, raha ny filazan’ireo tompon-tany, saingy kosa misy zavatra tsy azo atao sy fady manamorona io farihy io. Ao anatin’izany ny filalaovana rano ». Etsy andanin’izay anefa dia fantatra ihany koa fa toa hoe misy tromba io vehivavy nohanin’ny voay io ka mety ho antony nampasiaka tampoka ireto biby ireto izany. « Mbola mikaroka moa izahay. Kanefa etsy andanin’izay dia efa nosokafana ihany ny fanadihadiana » hoy ny zandary. Efa nohenoina teny anivon’ny zandary moa ilay namany. Marihana fa anisan’ireo toerana be mpitsidika any an-toerana ity farihy manankasina ity, noho ireo tantara mahaliana avy aminy. Voalaza mantsy fa toa hoe tanana iray io toerana saingy niharan’ny safo-drano ary nivadika voay ireo mponina tao aminy.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici