- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversAnkatso : Mpamaky fiara tra-tehaky ny pôlisy

Ankatso : Mpamaky fiara tra-tehaky ny pôlisy

Teny amin’iny faritra Ankatso sy ny manodidina iny, raha teo am-panaovana fisafoana ireo pôlisy avy etsy amin’ny kaomisarian’Ambohijatovo, ny alatsinainy lasa teo, no nahatratra tovolahy iray, teo am-pamaiana fiaran’olona mihitsy. “Tsikaritra tamin’izany fa mailomailo izy nivoaka ny fiara izay nijanona teo amoron-dalana ary nitondra « auto-radio » tamin’izany. Manoloana izany dia nosakanana avy hatrany izy ary rehefa nohadihadiana izy dia fantatra fa tsy azy ilay fiara nangalany io « auto-radio » io” hoy ny fampitam-baovao. Tamin’io fotoana io ihany dia nosamborina ranamana ary nentina nihazo avy hatrany ny kaomisaria ho an’ny famotorana. “Niaiky moa izy fa novakiany ilay fiara ka nahazoany an’io kojakojam-piarakodia io” raha ny vaovao azo avy tamin’ny pôlisy hatrany. Efa natolotra ny Fampanoavana omaly ihany moa ity tontakely ity ary fantatra fa naiditra am-ponja vonjimaika. Akaiky tokoa ny fety, manararaotra ihany koa ireo olon-dratsy, saingy tsy afa-bela amin’ireo mpitandro filaminana foana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici