- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversRongony 12 kilao tratra, olona telo nosamborina

Rongony 12 kilao tratra, olona telo nosamborina

Rongony 12 kilao tratra.
Rongony 12 kilao tratra.

Ny andron’ny faha-23 septambra, faritra telo samy hafa no nandehanan’ny polisy misahana ny ady atao amin’ny fianahan’ny rongony eto amintsika. Taorian’izany ny nahafantarana fa rongony efa maherin’ny 12 kilao no sarona ary olona telo no nosamborina, mpivarotra sy mpifoka rongony.

Teny Ankazomanga, lehilahy iray no nahitana rongony 200gr. Nilaza izy tamin’ny famotorana fa tsy mpivarotra fa mpifoka fotsiny, mahalany fonosana iray isan’andro. Notondroiny ny olona fividianany izany, saingy tsy tratra io farany io.

Vaovao hafa indray no nahafantaran’ny polisy fa misy mivarotra rongony eny amin’ny IVO. Rehefa teny amin’ilay toerana ireo mpitandro filaminana dia nahatratra olona roa nividy rongony tao amin’ny olona antsoina hoe Jean Pasy. Nisy vehivavy iray tao ka araka ny vaovao dia io no nampivarotra an’i Pasy. Fonosana 200 no tratra miampy rarany 2 kilao. Mahalafo fonosana 100 isan’andro ry zareo.

Nidina teny Andohatapenaka ny mpitandro filaminana avy teo, nandeha tao amin’ny tranon’olona iray. Rongony iray gony milanja 10 kilao no hita. Fantatra fa fivarotana rongony no asan’ity olona antsoina heo Haja ity. Araka ny nolazainy dia avy any Betroka ireto “entana” ireto, tonga tamin’ny alatsinainy. Noviadiany 150 000 ariary ary amidiny 600 000 ariary avy eo.

Omaly no natolotra ny Fampanoavana ireto olona ireto.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser