Ny sabotsy 25 jona teo teo amin’ny araben’ny fahaleovan-tena teto Toamasina no natao ny lanonana nizarana ireo mari-boninahitra ho an’ireo mpiasa izay nahazo izany teto Toamasina. Niisa 215 izy ireo notolorana izany, ka nisy ny nahazo ny « Grands Officiers de l’ordre National » izay niisa 03 mianadahy dia Atoa Soratra Michel sy Rtoa Faralahy Marie Erlette ary Atoa Rabemanantsoa Bienvenus. Nisy koa ireo 17 mianadahy notolorana ny « Commandeurs de l’ordre National » ; teo koa ireo mpiasa niisa 07 nahazo ny « Officier de l’ordre Nationale » ; ary teo ny « Chevalier de l’ordre National » niisa 36 ka ny iray tamin’izy ireo efa maty andro vitsy talohan’izao fanolorana mari-boninahitra izao. Nisy koa ireo notolorana ny medaly ny asa mendrika vita, ka isan’izany ny « Chevalier de l’ordre de merite » niisa 07 ; teo koa ny medaly volafotsy izay saika ny mpiasa teo anivon’ny Jirama Toamasina no notolorana izany izay niisa 77 ; ary ny medaly alimo izay niisa 68 izay saika mpiasa teo anivon’ny orinasa Jirama Toamasina ihany koa ny maro tamin’izy ireo.
Nandritra ny andron’ny tsingerintaona nahazoana ny fahaleovan-tena ny alahady 26 jona kosa, izay niompana tamin’ny « ny fitiavako ny Tanindrazako, mamelona ny hambompom-pirenana » ny loha-hevitra tamin’izany, dia nitarika izany ny prefen’i Toamasina Atoa Imbinintsoa Jean José, teo koa ny governora ny faritra atsinanana Atoa Rafidison Richard Théodore, ary nahitana ireo parlemantera, senatera Atoa Donat Tang sy Rtoa Sydonie Raharinirina, teo koa ny depiote sady filoha lefitry ny antenimieram-pirenena avy ao Toamasina Rtoa Naharimamy Irma Lucien sy ny Atoa Roland Ratsiraka. Nandritra ny matso izay naharitra teo amin’ny adiny roa teo dia niisa teo amin’ny 122 teo ireo solon-tenam-pokonolona nandray anjara tamin’ny matso ankoatra ny foloalindahy. Nisy ireo sekoly samy hafa, ireo fikambanana isan-karazany, ireo mpanao fanatanjahan-tena, ireo orinasa samy hafa, ireo solon-tenam-pokontany, ireo mpanao politika misy eto Toamasina ka isan’izany ny TGV – TIM – Freedom – Mirama – AVI – MTS – Fimami – GasyMi – Arema.
Nambaran’ny governoran’ny faritra atsinanana tamin’ny laha-teny nataony fa « mba tena hiasa ao anatin’ny filamatra napetraky ny fanjakana ny eto Toamasina amin’ity taona 2022 ity » ; izany nanambarany koa fa isany fanambiny faritra atsinanana entina hampandrosoa azy ny lafin’ny fambolena sy ny fiompiana, ka ireo fikambanana efa ao anatin’ny koperativa dia hatsaraina ny fiaraha-miasa amin’izy ireo manomboka izao. Hisy koa araka ny nambaran’ny governora hatrany ny fananganana orinasa ao Analamalotra entina hanodinana ireo vokatry ny tany tsy lany eto Toamasina, mba tsy ho simba sy lo fotsiny manomboka izao.
Malala Didier