- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversFanadinana CEPE teto Toamasina : Nahatratra 86,60% ny taham-pahafahana…

Fanadinana CEPE teto Toamasina : Nahatratra 86,60% ny taham-pahafahana…

Natao omaly talata 28 jona ny “deliberation” mikasika ny isa ilaina ahafahana CEPE teto Toamasina, izay notarihan’ny lehiben’ny CISCO Toamasina I sy ny solontenan’ny DREN, ary natrehin’ireo mpampianatra niaraka tamin’ny talen-tsekoly samihafa. Tapaka nandritra io “deliberation” io fa nohafahana avokoa ireo mpianatra niisa 8.230, taha 86,60%, tamin’ny mpiadina niisa 8.372 ka nahatratra 134 ny tsy tonga niatrika ny fanadinam-panjakana. Niakatra ny taha tamin’ity taona ity satria tsy nisy afa-tsy 68,83% ny taha ny taona 2021 sy 84,95% izany ny taona 2020. Raha tamin’ny nahazo naoty ambony indrindra teo amin’ireo mpiadina dia nahazo izany ny sekoly katolika Notre Dame de Lourde sy ny Saint Joseph de Cluny, samy nahazo ny naoty 19,55/20 ireo mpiadina roa. Ankoatra izay dia fantatra ihany koa izao fa tamin’ny sekoly miisa 191 nanana mpiadina tamin’ny CEPE dia ny 55 samy nahazo 100% avokoa tamin’ny taham-pahafahana tao aminy, izay sekoly katolika avokoa ny ankamaroan’izany, afa-tsy ny sekoly Notre Dame de Lourde.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici