- Publicité SW45 -
vendredi, octobre 18, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversBetafo : Trano am-polony maro no may kila, an-tapitrisany ny zavatra simba

Betafo : Trano am-polony maro no may kila, an-tapitrisany ny zavatra simba

Tombanana ho an-tapitrisany maro any ho any teti-bidin’ny entana lasa lavenona tany amin’iny distrik’i Betafo iny ny alin’ny talata lasa teo, noho ny hain-trano goavana niseho, tao amin’ny tanàna antsoina hoe Faravohitra, kaominina Ambohimanambola. Olona 69 no tra-boina sy tsy manan-kialofana intsony tao anatin’izany. Raha ny angom-baovao azo, dia tokony ho tamin’ny folo ora alina tany ho any no nitranga ity hain-trano ity. Hatreto dia tsy fantatra mazava izay tena antony niavian’ny afo, fa raha ny filazan’ireo nanatri-maso dia niainga avy tamin’ny trano iray, avy aty atsinanana ny afo. Nihitatra vetivety izany, noho ny toetr’andro sy ny rivotra nifofofofo, antony nampijoalajoala ny afo sy nandevona tao anatin’ny fotoana vitsy ireo trano 12 tafo. Nisy ihany moa ny fihezan’ny fokonolona tao an-toerana sy ireo mpitandro filaminana nifehy izany saingy indrisy, teo amin’ny tsy fahampian’ny enti-manana dia io lasa nihitatra be io ny afo. Na izany aza anefa, dia fantatra fa tsy nisy ny aina nafoy. Olona iray kosa no voalaza fa naratra, rehefa nitsambikina avy eny ambony vavarakely, noho ny fahatairana. “Efa nahazo fitsaboana sahaza azy izy io, hoy ny vaovao ary efa tsy misy atahorana ny ainy”. Tetsy andanin’izay, potika sy rava fananana tao anatin’ny indray mipi-maso monja ihany koa ireo tra-boina. “Saika ireo vokatry ny mponina sy ny biby fiompy ary ireo fitaovam-pamokarana no may kila forehitra tao anatin’izany hain-trano izany” hoy ny fampitam-baovao azo.  Efa nisy moa ny fidinana ifotony nataon’ireo tompon’andraikitram-panjakana isan-tokony tany an-toerana. Tsy nojerena fotsiny araka izany ireo tra-boina fa nisy avy hatrany ny fandraisana an-tanana azy ireo sy ny fitondrana ny voin-kava mahatratra ho azy ireo.

m.L

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici