- Publicité SW45 -
jeudi, janvier 2, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversHasarotam-piaro : Lehilahy maty notsindronim-badiny antsy

Hasarotam-piaro : Lehilahy maty notsindronim-badiny antsy

Vokatry ny hasarotam-piaro, fahafantaran-dramatoa fa nahabevohoka vehivavy hafa tany ambadika tany ny vadiny no antony nanaperany tsy nisy atak’andro ny aim-badiny. Zava-nitranga tany amin’iny distrika Mananjary iny. Ny alin’ny fetim-pirenena teo no nitranga ity toe-javatra nampivarahontsana ny rehetra ity, rehefa niaraka nisotrosotro tamin’ny toeram-pivarotana iray ireto mpivady ireto. Rehefa raikitra teo mantsy ny fifamaliana am-bava, tsy nahatsindry fo intsony ramatoa, noraisiny ny antsy tandrifin’ny tanany ary avy hatrany dia natrobany teny amin’ny tendan-drangahy. Hatairana ny an’ny rehetra, izay tsy nisy nanam-po na inona na inona. Ilay lehilahy 26 taona kosa efa nidaraboka sy nitsirara tao anaty rà nandriaka. Tsy ela dia namoy ny ainy, noho ny habetsaky ny rà very. Tamin’io fotoana io ihany moa dia efa nisy nampandre ny mpitandro filaminana ary avy hatrany dia nisambotra ity vehivavy nahavanon-doza ity. Ary tamin’io ihany dia efa nentina notazonina ary nofotorana tany amin’ny biraon’ny pôlisy, talohan’ny nanolorana azy teny anivon’ny Fampanoavana. Raha ny angom-baovao azo dia tena mpivady izy ireo, ara-pomban-drazana ary izany dia efa nanditry ny enin-taona teo ho eo. Mazàna anefa, hoy hatrany ny vaovao, no raikitra foana ny fifamaliana eo amin’izy mivady ireto. Ny anton’izany dia tsotra, noho ny tsy fahazoan’izy ireo dimby sy fara, mandrak’ankehitriny. Tamin’io fotoana io, dia niara-nankalaza ny fetim-pirenena izy ireo ary niaraka nisotrosotro tamin’ny toerana iray tao Mananjary ihany. Tokony ho tamin’ny folo ora alina tany ho any anefa dia niverina indray ilay fifamaliana teo amin’izy ireo, izay mazava ho azy fa natosiky ny alikaola. Ny tena loza dia tamin’io fotoana io ihany koa dia fantan-dravehivavy fa nampirafy azy ilay vadiny, ary nahabevohoka io tovovavy io. Izay zavatra izay no tena tsy tantiny ary nampiakatra tanteraka azy ka izao niafara tamin’ny fanindronana antsy sy famonoana ho faty ilay tovolahy izao.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici