Ho raharaha goavana hitranga eto Toamasina ny mahakasika ny raharaha heroine sy cocaine ary halatra jirofo. Raha hiveranana ny raharaha dia niainga tamin’ny fahatrarana ilay mpiasan’ny ladoany voalohany, tsy iza fa ny “agent d’encadrement des douanes brigade special” Atoa Zarasoanina Thomas, tao Andranomadio parcelle 11/33 ny 19 martsa teo izay nahatrarana heroine milanja 13g tao aminy nandritra ny fisavana natao araka ny iraka nampanaovin’ny fampanoavana ambaratonga voalohany, ka nahiditra am-ponja vonjy maika tao Ambalatavoahangy ny 22 martsa. Taorian’izay rehetra izay anefa dia nivoaka avokoa ny tsiambaratelo ny raharaha izay navoakan’ireo mpiray tendro. Vokatra izany dia tsy nijanona teo ny raharaha fa nitohy, ka nahasambotra indray olona fito izay vehivavy ny enina raha teratany vahiny ny iray ny 30 martsa teo, ka ny iray tamin’izy fito izany hoe vehivavy izy io ihany no nahiditra am-ponja. Nitohy hatrany ny fivoahan’ny tsiambaratelo ka nahasamborana mpiasan’ny ladoany faharoa ingahy Benitsara Bruno izay voasambotra tao Ivoloin, sy teratany vahiny ingahy Faed teny Tanambao, ka nahasika cocaine 650kgs indray. Hatreto izany dia mpiasan’ny ladoany roalahy no voaroiroy tamin’ity raharaha zava-mahadomelina mahery vaika ity ary efa samy miandry fitsarana am-ponja avokoa. ny angom-baovao hatrany no nahalalana ireo mpandraharaha efatra mirahalahy voaroiroy tamin’ny raharaha jirofo 25 taona, ka nahiditra am-ponja vonjy maika ny 19 may teo. Raharaha ny vaovao voaray dia mpiray tendro tamin’ny raharaha zava-mahadomelina mahery vaika koa izy efatra ireo. Nilaza anefa ny fianakavian’izy ireo fa mbola maro ireo tompon’andraikitra amina fitantanan-draharaham-panjakana sy mpandraharaha tsy miankina lehibe eto an-toerana no mbola miriaria, ka tokony tsy anavahana olona ny fampiarana ny lalana. Ankilan’izany dia takian’ireo fianakaviany ny hamonja vonjy maika ireo telolehy nalefa any Tsiafahy mba ho eto amin’ny fonjaben’i Toamasina Ambalatavoahangy ihany.
Malala Didier