Sivy mianadahy be izao sy misy mpivady mihintsy no noraofin’ny polisin’ny FIP notarihan’ny komandany ny kaomisera Rafaliaro Jules, tao amin’ny fokontany Analakinina hopitaly be. Tao anatin’ny loharanom-baovao no nahalala fa ny sefom-pokontany no niantso ny polisin’ny FIP satria misy tokantrano iray ao amin’izy ireo fametrahana moto halatra. Avy hatrany dia nandray ny andraikiny ny polisin’ny FIP, ka tratra tao amin’ilay trano ny moto mbola nahitana taratasy na moto maro samihafa ihany koa. Ny loharonam-baovao tamin’ny polisy no namantarana fa moto iray farany nangalarina ity moto tratra tao amin’ilay tokantrano iray ity. Nisy tovolahy iray avy nangalatra moto ka nitondra izany nitsoaka ka nandeha mafy, hany ka nianjera teo amin’ny “rond point” mifanila amin’ny “maison de retraite” ka torana tsy nahatsiaro tena tokony tamin’ny 08ora 30min alina. Nahita izany ity manamboninahitra miaramila ka niantoka ny saran-dalana posy bisikileta nanateran ilay niharam-bina tany amin’ny hopitaly be, ary ity farany ihany no nilaza tamin’ireo tovolahy teo akaikiny , fa “ento any io moto io fa hovidiako aminareo raha ohatra ka…”. Naiditra tany amin’ny tokantrano iray ilay moto satria hoe ho vidian’ilay manamboninahitra. Tsy tontosa kanefa izany raharaha izany fa izao fisamborana sy fandravana ny tamban-jotra na mpangalatra moto izao no niseho tao Analakinina hopitaly be. Ankoatra izany koa dia nitsoaka ny hopitaly be nitsaboana azy ilay nampidirina hopitaly vao nahatsiaro tena.
Malala Didier