- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversDahalo namono zandary : Maty voatifitra ny roa, azo sambo-belona ny iray

Dahalo namono zandary : Maty voatifitra ny roa, azo sambo-belona ny iray

Nisehoana fanafihan-dahalo maherivaika tao amin’ny kaominina Amboalimena, distrika Belo/Tsiribihana. Dahalo maromaro mirongo basim-borona no nanafika an’io tanàna io, izay notahirin’ny lehibeny antsoina hoe Boromena. Lasan’ireo jiolahy ny omby tamin’io tanàna io ary rafitra nanara-dia azy ny mponina sy zandary. Matin’ny dahalo vokatr’izany ny zandary mpiana-draharaha iray, antsoina Velotombo Evariste. Taorian’izay dia nivezivezy tao amin’ny tanàna antsoina hoe Bevaho, fokontany Ampahinerena, kaominina Andimaky, ireo dahalo ireo, ny alatsinainy lasa teo. Ireo andian-dahalo ireo dia mbola nirongo basim-borona efatra. Efa nandrasan’ireo mpitandro filaminana tany an-toerana fotsiny anefa. Ka raha vao nahita ireto farany dia nanao tari-dositra. Voasambotra tamin’izay ny fatidràn’i Boromena, antsoina hoe Tose, niaraka tamin’ny namany hafa. Tafatsoaka kosa ireo dahalo hafa namany. Nandritra ny fitondrana ireto malaso voasambotra ireto tany amin’ny Borigady Bekopaka, no nanararaotra nitsoaka ity lefitry ny lehiben’ny dahalo ity sy ireo namany voasambotra. Nitifitra avy hatrany ireo zandary ka maty vokatr’io fitifirana azy io ny dahalo roa, tratra kosa ny iray tamin’izy ireo. Fantatra tamin’ny alalan’ny fanadihadiana fa isan’ireo dahalo namono nahafaty ilay zandary mpiana-draharaha izy ireo.

Raha mikasika ity zandary maty teo am-perin’asa ity dia nampiakarina taty an-drenivohitra avy hatrany ny razana, ary navantana tetsy amin’ny Toby Ratsimandrava. Nisy araka izany ny fanomezam-boninahitra farany ity zandary namoy ny ainy teo am-panantanterahana ny asany ity, omaly maraina. Nahitana ireo Kômandy ambonin’ny zandarimariam-pirenena, notarihin’ny Sekreteram-panjakanana miadidy ny zandary, eo anivon’ny ministeran’ny fiarovana, ny Jly Paza Didier. Ity farany mihitsy no nanolotra ho an’ity zandary, izay namela kamboty roa sy mananon-tena, ny mariboninahitra « Chevalier de l’ordre national Malagasy ». Nitondra ny teny fampiononana ho an’ny fianakavianan’Itompokolahy ihany koa ity tompon’andraikitra voalohany ity, nisolo tena ny fianakaviam-ben’ny zandary.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser