“Matoa misy ny mpanenjika, dia betsaka izay ny zavatra vita ary maro ireo mpankasitraka. Aza mihemotra amin’izany. Eto izahay manohana anao”. Nahitsy tokoa ny kabary nataon’ity mpanolon-tsaina manokan’ny Filoham-pirenana no sady efa filoham-pirenana teo aloha rahateo ity, mahakasika ireo fanenjehana maro, izay ataon’olom-bitsy an’Atoa Jeneraly Ramiaramanana Joseph, Governoran’ny faritra Bongolava. Ny sabotsy lasa teo tokoa mantsy dia nisy ny hetsika, izay natao tao an-tampon-tananan’i Tsiroanomandidy, izay niarahan’ireo fikambanana maro, mivondrona ao anatin’ny Firaisan-kinan’ny fikambanana ao Bongolava tao amin’ny kianja Bika. Hetsika izay nahavory olona maro dia maro tokoa, nanehoana ny firaisan-kina amin’Atoa Governora sy ho fanohanana ny Filoham-pirenana Andry Rajoelina. Olo-manan-kaja maro no tonga nanatrika izany, izay nahitàna ny Filohan’ny Antenimieran-doholona, ny mpanolon-tsaina manokan’ny Filoham-pirenana, ny Tale Jeneralin’ny tetik’asa ny Filoham-pirenana, ary Ramatoa anabavin’ny Filoham-pirenana, niaraka tamin’ny solombavambahoaka voafidy tao Tsiroanomandidy sy ny Fikambanan’ny ben’ny tanana any an-toerana . “Aleo ny vahoaka no hitsara satria raha ny zavatra vita sy ny natao teto Bongolava no jerena dia tsy ary ho voatantara avokoa. Ary ny mahakasika ireo mpanenjika dia tsy miady aminy izahay. Misokatra foana ny varavarako satria fampandrosoana no hiaraha-mikatsaka ary Bongolava mandroso no tanjona. Izay rahateo no antony nametrahan’ny Filoham-pirenana ahy eto, izay isaorako azy” hoy Atoa Governora. “Mbola betsaka ireo fampandrosoana miandry, araky ny tenin’ny Filoha hoe tsy hisy intsony distrika adino ary hamafisiko ihany koa fa raha ny eto Bongolava, dia tsy hisy intsony ny kaominina adino” hoy hatrany izy. Marihana fa maro tamin’ny vahoaka tokoa ny mankasitraka ny fampandrosoana hita taratra nentin’ity Jeneraly ity tany an-toerana, ary noporofoin’izy ireo izany tamin’io hetsika io, izay tsy nisiana akory na dia artista iray aza kanefa nahafeno sy nahipoka kianja. Nofaranana tamin’ny nofon-kena mitam-pihavanana moa ity hetsiky ny firaisan-kina ity.
m.L