
Tsy nampoizin’ity jiolahy ity tokoa fa ny “porte feuille”-ny latsaka tao anatin’ilay fiara novakiany no nahafahan’ny pôlisy nisambotra azy. Izy izay sady efa mpamaky fiara hikoizana no mbola mpanaparitaka vola sandoka ihany koa. Tranga niseho teny amin’ny faritra Ambohimanarina iny tamin’ity herinandro ity. Araka ny loharanom-baovao avy eo anivon’ny pôlisim-pirenana dia lehliahy iray, tokony ho 33 taona no voasambotra alarobia teo teny an-toerana. Ny voalohandohan’ny herinandro teo mantsy dia nisy trangana famakiana fiara teny an-toerana. Fiaran’olona nipetraka tsara tao anatin’ny “parking” mifefy no efa tafasokatrany, tokony ho tamin’ny roa ora maraina tany ho any. Ren’ny tompon’ny fiara anefa ny zavatra nataon’ity olon-dratsy ka nivoaka nijery ny zava-misy iry voalohany. Nitsoaka toy ny teo ilay jiolahy rehefa nahatsikaritra izany, eny fa na dia efa tafiditra soa aman-tsara tao anaty fiara aza. Nandamoka mantsy ny teti-dratsiny ary tsy nahatondra na inona na inona ilehio. Nametraka fitoriana avy hatrany teny anivon’ny pôlisin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahenina, ilay lasibatra ary nidina avy hatrany teny an-toerana nanao ny fanadihadiana. Tsikaritra tamin’izany fa nisy “porte feuille” latsaka tao anaty fiara, izay inoana marimarina fa an’ilay olon-dratsy izay nanao vy very ny ainy nitsoaka, tamin’ny fotoana nahatongavan’ilay tompon’ny fiara.
Mazava ho azy, tamin’ny alalan’izany “porte feuille” adino izany no niaingan’ny fikarohana nataon’ny pôlisy. Voalaza mantsy fa nahitàna karam-panondro tao anatiny ary vola mitentina teo amin’ny roa hetsy ariary mahery teo. Rehefa nojerena ihany koa anefa ireto vola dia fantatra fa vola sandoka avokoa. Tsy ela araka izany dia fantatra ny mombamomba an’ity olon-dratsy, izay sady mpamaky fiara no mpanaparitaka vola sandoka. Ary tsy taiza fa teny amin’iny faritra iny ihany, ingahirainy no noraisim-potsin’ireo pôlisy. Nentina natao famotorana sy notanana natao andrimaso avy hatrany moa izany jiolahy izany. Ny alakamisy teo no fantatra fa natolotra teny anivon’ny Fampanoavana ary nadoboka am-ponja vonjimaika.
Amin’izao tokoa dia tena mila mailo tanteraka ny rehetra fa efa tsy kely lalana ny ratsy. Indrindra moa fa ho an’ireo olona manana fiara ka mametraka izany eny an-tokontany na amin’ireny “parking” ireny. Efa firifiry tokoa moa izay no lasibatr’ireo mpamaky fiara ireo, very fananana tao anatin’ny indray mipi-maso monja ary tsy afaka ny hanenjika an’iza na iza. Ary ny tena mahagaga dia, na dia efa ao anaty tamboho sy mifefy aza dia mbola vitan’izy ireo ny mamaky ilay fiara. Saingy azo lazaina fa tsara vintana ity olona teny Ambohimanarina ity fa sendran’izay jiolahy tsy fetsy, nanary ny “porte-feuille” misy ny mombamomba azy tao anatin’ny fiara izay noketrehany hanaovan-dratsy. Misimisia ny toa azy …
m.L