- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohimanarina : Tovovavy roa voatositosika sy voambana antsy

Ambohimanarina : Tovovavy roa voatositosika sy voambana antsy

Tsy mbola maizina akory fa vao tamin’ny efatra ora tolakandro dia efa manao ny ataony sahady ny mpanao sinto-mahery teny amin’iny faritra Ambohimanarina iny. Ankizivavy roa, izay samy tsy mbola ampy taona avokoa no niaina ny tahotra indrindra teo amin’ny fiainany tamin’iny Ambohidroa, Ambohimarina iny, ny herinandro lasa teo. Narahana bandy roa lahy mantsy izy roa vavy ireto, izay tsy nanampo na inona na inona. Vao tojo toerana somary mangina sy tsy be olona anefa, avy hatrany dia nezahin’ireto roa lahy natosika mafy hiditra elakelan-trano. Namoaka antsy avy hatrany izy roa lahy ireto ary nanambana izany tany amin’izy roa vavy no mbola nandrahoana azy ireo ihany, hamoaka ny vola sy hanome azy ireo ny zavatra rehetra tany aminy. Lasa hoy ny angom-baovao ny finday, “casque” ary finday. Rehefa azon’ireto roa lahy izany zavatra izany dia nitsoaka toy ny tsy teo izy ireo. Nampandre avy hatrany pôlisy moa ireto ankizy lasibatra ireto. Nisy avy hatrany ny fandraisana andraikitry ny pôlisy ary tsy niandry ela dia voasambotra izy roa lahy,  teny amin’iny faritra Ambohidroa iny ihany. “Efa mpanao asa fanendahana sy sinto-mahery eny amin’iny faritra iny ireto tratra ireto”, hoy ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisy. Ny faran’ny herinandro teo moa izy ireo no natolotra teny anivon’ny Fampanoavana ary nadoboka am-ponja vonjimaika eny Antanimora, miandry ny fotoam-pitsaràna azy.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici