- Publicité SW45 -
dimanche, janvier 5, 2025
AccueilFaits-DiversANTSIRABE : Bakalorea an’ny jamba, eto Madagasikara sisa mampiasa ny soratra braille

ANTSIRABE : Bakalorea an’ny jamba, eto Madagasikara sisa mampiasa ny soratra braille

Ny sekoly Farimbona no ivon-toeram-panadidinan’ireo olona manana fahasembanana ara pahitana miatrika fanadidina bakalorea eto Antsirabe. Marihina fa eto Antsirabe no misy ny foibe fanabeazana ny jamba na FOFAJA. Telo miralahay izy ireo no miatrika ny bakalorea, avy ao amin’ny sekoly tsy miankina Mangarivotra Antsirabe  ny roa lahy raha toa ka avy ao Antananarivo kosa ny iray. Sokajy A2 ny roa ary Littéraire  ny iray. Iraisana amin’ny rehetra ihany ny laza adina, efa misy ny ny teksnisianina mamadika ny laza adina amin’ny soratry ny jamba na braille . Tsy miandry ela fa eo noho eo ihany dia avadika amin’ny teny tsotra ny taratasim-panadidina vao vita. Fantatra fa saika hampiasa milina dactylo ny iray amin’ireo kandida saingy nisy fahasimbana ilay fitaovana. Raha ny tokony ho izy dia mizara roa ny fanadianana na manoratra  “braille” ny kandida na hampiasa milina amin’ny dactylo fa matetika misy fahasimbana  ny “machine à écrire” hampiasana toy ny faharovitan’ny “ruban” na mikatso ny “clavier” dia tsy manan-tsafidy fa tsy maintsy ny soratry ny jamba ihany no ampiasana.  Ankoatra izay mety hanelingelina ny sasany ihany koa ny kotaba aterak’ilay dactylo. Nomarihan’ny tompon’andraikitra iray ao amin’ny FOFAJA fa eto Madagasikara sisa mampiasa itony soratry ny jamba itony amin’ny fanadidina,  saika efa mampiasa solosaina avokoa ny any ivelany.

Tsara ny manamarika fa niisa efatra  no naka bakalorea tamin’ny taona lasa ary afaka avokoa izy ireo.

Andry N.

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici