
Fiara sprinter iray no nifatratra tany amin’ny tambohon’olona ny alin’ny alarobia lasa teo tokony ho tamin’ny 10 ora sy sasany tany ho any. Tao Mahazoarivo atsimo amin’ny lalana rarivato no nisehoan’ny loza. Raha ny fanazavan’ny olona teny amin’ny manodidina dia nifanenjika tamin’ny fiara kely iray ity sprinter ity. Vokatry ny fandehanana mafy noho izany dia tsy voatanan’ny mpamily intsony ny familiana rehefa nandalo teo akaikin’ilay lalana misy lavaka lehibe misy fanamborana ataon’ny JIRAMA. Tsy niala lavitra an’io lavaka lehibe io no nifatraran’ilay fiara sprinter tao amin’ny tambohon’olona teo antsisin-dalana. Avy any atsimo ilay fiara saingy tafadodika niavaratra ny lohany rehefa avy nifatratra tao amin’ilay fefy. Vokany, potika tanteraka ny lohan’ilay fiara, rava kosa ny tambohon’olona vita boriky. Fantatra fa efa-mianaka no tao anaty fiara. Soa ihany fa tsy nisy naninona izy ireo. Voalazan’ny manodidina ihany koa fa efa somary dozidozy ilay mpamily an’ity fiara ity. Hatramin’ny ora nanoratana dia mbola tavela eo an-tsisin’ny arabe ilay fiara tra-doza.
Andry N.