- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversAndramasina : “Epicerie” notafihan’ny jiolahy tamin’ny basy kilalao

Andramasina : “Epicerie” notafihan’ny jiolahy tamin’ny basy kilalao

Vola maty nandritry ny iray andro, manodidina ny efatra hetsy ariary teo ho eo no lasan’ity olon-dratsy ity ny herinandro lasa teo, nandritry ny fanafihana toeram-pivarotana iray tao Ambohimiadana Andramasina. Araka ny vaovao azo, tokony ho tamin’ny enina ora hariva teo no niditra tao amin’ity tsena ity ilay olon-dratsy. Mody hividy zavatra no nidirany tao, kanjo vao tafiditra izy dia navoakany avy any ny basy sy antsy, nentiny nandrahonana ilay mpivarotra. Notereny hanome ny vola rehetra araka izany ity farany, izay efa nentin-tahotra ka nanome izay nilainy. Marihana, hoy hatrany ny vaovao fa efa tonga tao amin’io tsena io, andro vitsivitsy talohan’io ity olon-dratsy ity, nitondra zavatra ho amidy indray. Izay heverina fa tetik’adiny, nentiny nitiliana tsara ny fandehan’ilay tsena. Tsy lasa lavitra anefa ny lehilahy dia efa voapaingotr’ireo zandary tao an-toerana, namonjy haingana raha vao nahare mahakasika ilay fanafihana. Nentina avy hatrany natao andrimaso ho amin’ny famotorana tany amin’ny biraon’ny zandary tao Ambohimiadana moa ity farany. Mbola tratra teny aminy moa ireo fitaovam-piadiana nentiny nanao fanafihana : ilay basy sy zava-maranitra. Tsikaritra anefa tamin’ny fitiliana natao fa tsy basy tena izy akory ilay nentiny fa basy kilalao, vita plastika miloko mainty fotsiny, na izany aza, ilay antsy koa dia tena izy. Mbola nahitàna fahana finday maromaro tany aminy, niaraka tamin’ny ody gasy, CIN, finday ary karatra SIM miisa efatra. Nahitàna karatra mahampikambana amin’ny toeram-pamonoan’omby iray tao an-toerana ihany koa moa ity farany. Izay, raha somary hitarina ny fanadihadiana, hoy ny vaovao, dia mety ho mpiray tsikombakomba amin’ny halatr’omby ihany koa ity farany. Anio no fantatra fa hanolorana azy eny anivon’ny Fampanoavana, raha tsy misy ny fiovàna.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici