- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Lehilahy tsy hita iray andro, maty nisy namono

Antsirabe : Lehilahy tsy hita iray andro, maty nisy namono

Raim-pianakaviana iray monina ao Ambavahadimangatsiaka no maty nisy namono ny herinandro lasa teo iny. Niala tao an-tranony izy  ny maraina, fantatra fa nifanao fotoana tamin’ireo namany handeha hisotrosotro. Tsy niverina intsony izy ny harivan’io andro nialany tao an-tranony, tsy fanaony loatra anefa ny tsy mody tahaka izao. Nanao fikarohana sy nampandre ny mpitandro filaminana ny fianakaviany. Ny alahady hariva  faha-17 jolay lasa teo no naharay atso avy amin’ny mpitandro filaminana ny fianakaviany nampilaza fa misy olona tsy mahatsiaro tena hitan’ny olona mivalampatra anaty lakan-drano. Nony tonga teny ny fianakaviany dia akory ny hataraina fa ilay raim-pianakaviana tokoa no hita tao. Tsy mbola maty akory izy tamin’io fotoana io saingy tsy nahatsiaro tena. Nentina namonjy hopitaly haingana ary nomena fitsaboana sahaza azy. Nanao izay ho afany ihany ny mpitsabo saingy tsy tana intsony ny ainy ny talata maraina lasa teo. Voalaza fa daroka mafy no nahazo azy, feno mangana ny vatany ary nahitana fahavakisana lehibe ny lohany. Nametraka fitoriana ny fianakaviany ary antenaina fa hisy ny fanadihadiana hisokatra. Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici