
Tsotra ary nahitsy ny hafatra avy eo anivon’ny zandarimariam-pirenana, tamin’ny alalan’ny Jly Ramasitera Ny Haingo, omaly tetsy amin’ny Toby Ratsimandrava, raha nitafa tamin’ny mpanao gazety ity farany. “Tsy azo hampiasaina intsony, na amin’ny fiara tsotra io na amin’ny fiara mpitatitra ireny “barre led” ireny, izay misy jiro mahery vaika ireny. Handray andraikitra amin’izany ireo zandary misahana ny fifamoivoizana eny amin’ireo lalam-pirenena. Hampijanona avy hatrany ny fiara mbola misy an’ireny ary hanendaka izany eo no ho eo”.
Manoloana ny firongatry ny lozam-pifamoivoizana tokoa tato ho ato, indrindra amin’izao ankatoky ny fialan-tsasatra izao, dia fantatra fa hanao hetsika manokana ny eo anivon’ny zandarimariam-pirenana, entina hisorohana ireo loza rehetra mety hitranga eny amin’ireo lalam-pirenena rehetra manerana ny Nosy. “Namanao ny zandary, hoy ity tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny zandarimariam-pirenena iray ity, ary vonona ny hanampy anao izy ireny eny an-dalana eny raha sendra olana. Tsy tokony hisalasala hanatona izay zandary akaiky anao indrindra mba hijerena ny vahaolana maika sy torohevitra. Saingy kosa, miangavy ny mpampiasa lalana rehetra, mba hanara-dalàna sy hanaraka ny fitsipika mifehy ny fifamoivoizana”.
Nisy ihany koa ny toromarika vitsivitsy nomeny ho an’ireo mpindrana ny lalam-pirenena. Mila ara-dalàna ny taratasin’ny fiara rehetra toy ny fiantohana sy ny fitsirihana ara-teknika. Torak’izany ireo kojakoja rehetra amin’ny fiara : ny jiro, ny hisaatra, ny “clignotant”, ny kodiarana, sns. Tsy azo atao ny manao “surcharge” ary ho an’ireo fiara handeha lavitra mihoatry ny 700 km dia tsy maintsy miisa roa ny mpamily. Ankoatr’izay, nasiany resaka manokana ny fandehanana mafy, izay antony mahatonga betsaka ny lozam-pifamoivozana amin’ny ankapobeny. Fa ankoatr’izay, ilaina ihany koa hoy izy ny fifanajana sy ny fifandeferena eny an-dalana. Ny mahakasika ny kolikoly, eny an-dalana dia nanamarika ity manamboninahitra jeneraly ity fa “tsy manao kolikoly ny zandary ary tsy mandray vola ihany koa. Raha toa ka tsy ara-dalàna ny fiara dia tokony hanaiky ny sazy izay ampiharina ireo mampiasa làlana”
Etsy andanin’izay, anisan’ny voaresaka ihany koa ny mahakasika ireo fanafihana maro isan-karazany, niha-nahazo vahana teny amin’ireo lalam-pirenena nandritry ny herinandro vitsivitsy izay. “Efa misy ny fepetra noraisin’ny zandarimaria mahakasika ireo tranga na fanafihana teny amin’ny lalam-pirenena toy ny fijerevana akaiky sy fanaovana fisafoana matetika eny amin’ireo toerana efa nitrangan’izany. Tokony manantona avy hatrany ny Tobin’ny zandarimaria raha sanatria ka sendra ny zavatra toy izany;
Mandray ny andraikiny tanteraka ny Zandarimaria mba hisorahana ny loza sy ny fanafihana mety hitranga eny amin’ny lalam-pirenena amin’izao fotoana izao” hoy izy.
m.L