Mponina maherin’ny zato no manahy mafy ho very tanindrazana ao Antseva Avaratra , fokontany Ambohimanarivo, kaominina Mandaniresaka Antsirabe II. Voalaza mantsy fa hesorina eo amin’ny taniny izy ireo amin’ity herinandro ity araky ny filazana mandeha. Fantatra fa mpiray lova ihany no namarotra ny tanin’izy ireo raha ny fanazavana nomen’ny solonten’ny fianakaviana iray lasibatra. Efa an-taonany maro no nonina sy nanamainty molaly ny tany ireto fianakaviana ireto satria raha na ny razam-ben’izy ireo aza dia milevina eo amin’ity tany izay misy efa ho 100 taona mahery. Efa vita zaran’ireo ray aman-dreny tany aloha ny tany ary samy efa manana ny faritra avokoa izy ireo. Fianakaviana iray fetsifetsy no naka ny taratasin-tany rehetra tamina ramatoa lehibe iray sisa tavela mpitahiny ny taratasin-tany ka nanaovany taratasy vaovao taty aoriana. Amin’izao fotoana efa tapitra lafo avokoa io tany maherin’ny 6Ha io, efa nisy fotoana ny vaditany tonga teny an-toerana nandrava trano fonenan’olona miisa 3. Ankoatra izay dia hiroso amin’ny fandravana trano hafa indray ny vaditany amin’ity herinandro ity. Tsy hanan-kialofana izahay ary tsy ahita hisitrihana hoy ny solon-tenan’ny mponina, fantatra aza fa isan’ny hotrongisina ihany koa ny fasan-drazan’izy ireo. Mangataka amin’ny fitondrana misy ireo mponina mba hijery akaiky ity raharaha ity satria ny ankamaroan’ireo mponina dia tsy mahay taratasy ary tsy mahita hisarangotina.
Andry N.