- Publicité -
lundi, mai 19, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Gadra nandositra tratra, tafatsoaka tao « violon »-n’ny polisy

Toamasina : Gadra nandositra tratra, tafatsoaka tao « violon »-n’ny polisy

Ity no atao hoe tranga tsy fahita tamin’ny resaka olon-dratsy tratra. Gadra efa voasambotra tamin’ny fitsoahany izao no tafatsoaka indray tao amin’ny fonjakelin’ny polisy teto Toamasina ny maraiben’ny alakamisy teo. Raha ny fanazavana azo dia tokony tany amin’ny 3 ora maraina na tamin’ny 4 ora maraina tany ho any no nitsoaka ny fonjakely nihazonana azy ity gadra tratra tamin’ny fandosirany ny alarobia teo, teto amin’ny fojaben’i Toamasina. Ireo vy fiarovana ny fonjakelin’ny polisy no notsoahany tsirairay nahafahany nitsoaka izao, ary mbola mifatotra rojo vy ny tanany tamin’ny fitsoahany, araka ny fanazavana hatrany. Rajoelison Jean Chris na Mainty ity gadra nitsoaka tao amin’ny fonjakelin’ny polisy ity. Raha ny fanazavan’ny tonia mpampanoa lalana tamin’ny mpanao gazety dia misazy 10 taona an-tranomazina ny tenany ary vao roa taona sy tapany no vitany tamin’izao nitsoahany ny fonjaben’i Toamasina izao ary mbola nitsoahany ny fonjakelin’ny polisy izao. Tafiditra amin’ireo gadra roa, Rafanomezantsoa Berthin na Fano sy Alexandre na Babaika, mbola nokarohana koa izany ity gadra tafatsoaka indray ity. Mbola samy ato anatin’ny kaominina ambonivohitr’i Toamasina izy telo ireo, hoy ny mpitandro ny filaminana mikaroka izany, satria efa nahazo baiko avokoa ireo mpitandro filaminana amin’ny lalana mivoaka sy miditra an’i Toamasina rehetra. Raha ny fanazavana nataon’ny tonia mpampanoa lalana ny fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina dia efa misazy koa ireto roa lahy ireo ary lavalava ihany ny sazin’izy ireo amin’izany. Miisa 1.200 eo ny voafonja ao Ambalatavoahangy amin’izao fotoana izao, hoy ny mpandraharaha ny fonja misahana izany. 

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici