Omaly tokony ho tamin’ny folo ora maraina tany ho any no azo teny am-pelatanan’ireo olon-dratsy mpaka an-keriny ny zaza mianadahy, 15 sy 11 taona, taorian’ny fanarahan-dia sy ny fikarohana nataon’ireo zandary avy eo anivon’ny vondron-tobim-paritra Andilamena sy ny GAPJ Alaotra Mangoro. Navotsotr’ireo olon-dratsy nitazona azy tao Analamarina, fokontany Ampamoha, kaominina Andilamena izy ireo, rehefa avy notazomin’ireto mpaka an-keriny efa ho herinandro mahery tany ho any. Salama tsara, tsy misy ahiana moa ireto zaza mianadahy ireto, raha ny fampitam-baovaon’ny zandary, ary efa tafaverina eny anivon’ny fianakaviany.
Raha tsihiavina dia ny alin’ny 11 hifoha 12 jolay lasa teo no nisy naka an-keriny tao an-tananany tao Amparatsiraka, kaominina Andilamena izy ireo. Andian-dahalo maromaro nirongo basy no tonga nanafika ity tanana ity tamin’io fotoana io. Fanafihana izay marihana fa nisy ain’olona nafoy, vehivavy iray, izay maty voatifitry ny dahalo. Omby maromaro no lasan’ireo farany tamin’io fotoana io, ary tsy vitan’izay fa mbola nitondra olona telo mianaka natao takalon’aina ihany koa izy ireo. Renim-pianakaviana iray, niaraka tamin’ny zanany mianadahy. Tamin’io fotoana io ihany, rehefa nahazo fampandrenesana ireo zandary tany an-toerana dia nanantanteraka ny fanarahan-dia sy ny hetsika hanavotana ireto olona lasa takalon’aina ireto. Tamin’io andro io ihany dia efa navotsotr’ireo olon-dratsy ny renin’ireo zaza ary avotra soa aman-tsara. Nentin’ireto malaso ireto nanaraka azy kosa izy mianadahy kely. Nandritra ny fotoana nitazoman’ireto olon-dratsy azy ireo moa dia tsy nitsahatra ny nitaky volabe tamin’ireo fianakaviany izy ireo, ho tambin’ny famotsorana ireo ankizy. Saingy noho ny fahaiza-manaon’ireo mpitandro filaminana dia io avotra soa aman-tsara omaly, tsy nandoavana na dia ariary io aza izy ireo. Mbola mandeha sy mitohy moa ny fikarohana sy ny hazalambo atao amin’ireo olon-dratsy any an-toerana.
m.L