Efa nisy ny fampilazana ireto mpitsangantsangana ireto fa somary mahery ny ranomasina teo amin’io faritra io, kanefa mbola ninia nilomano teo ihany ireto ankizivavy ireto. Loza mahatsiravina no niseho nony avy eo, omaly tao Manakara
Ankizy mpianatra avy any Fianarantsoa avy any ireto niharan-doza ireto, ary nikasa ny hitsangantsangana tao Manakara, niaraka tamin’ireo namany. Tamin’ny voalohany, hoy ny loharanom-baovao avy any an-toerana, dia saika tao amin’ny toerana iray, sivy kilaometatra miala an’i Manakara no nandehanan’ireto mpianatra ireto, niaraka tamin’ny olona nitondra azy saingy niova izany ary nihazo moron-dranomasina hafa izy ireo. Toerana iray, fantatra amin’ny anarana hoe « Fiantsonan’ny mpanarato » ary teo no nilomano ireto ankizivavy miisa fito ireto.
Efa nisy anefa fampitandremana nataon’ireo tompon-tany fa hoe somary mahery ny ranomasina teo amin’io toerana io, saingy mbola niroboka ihany ireto farany. Ny antoandron’io omaly io, niseho tokoa ny loza, tokony ho tamin’ny 11 ora tany ho any. Niezaka niantso vonjy avy hatrany ireto tompon’andraikitra, raha vao nahita ny zava-nisy. Samy nanao izay ho afany avokoa ny rehetra saingy tsy tra-pamonjena intsony ny dimy tamin’izy ireo. Efa vatana mangatsiaka no nokarohina sy naloan’ny ranomasina. Ny roa kosa avotra soa aman-tsara na dia naratra aza, ary voatery nentina nihazo ny hopitaly tao Manakara. Marihina fa mbola ankizivavy manodidina ny 15 ka hatramin’ny 18 taona teo izy ireto, raha ny vaovao azo hatrany. Efa nidina teny an-toerana nijery ny zava-misy moa ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny tany an-toerana, niaraka tamin’ireo mpitandro filaminana: ny zandary sy ny polisy. Ireto farany kosa no miandraikitra ny fanadihadiana mahakasika ity loza mahatsiravina ity.
m.L