- Publicité SW45 -
mercredi, janvier 15, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohimahitsy : Vehivavy maty tsy tra-drano nohitsahin’ny fiarabe tapaka hisatra

Ambohimahitsy : Vehivavy maty tsy tra-drano nohitsahin’ny fiarabe tapaka hisatra

Omaly hariva dia nandriaka indray ny rà tetsy Ambohimahitsy. Renim-pianakaviana iray no maty tsy tra-drano rehefa nohosehin’ireny fiarabe mpaka fako ireny, teny an-toerana. Zaza kely iray  izay nentin’ity ramatoa ity kosa no naratra mafy.

Mety ho olana ara-teknika, hoy ny fanazavana azo avy amin’ny zandary miandraikitra iny faritra iny, no nahatonga ity loza mahatsiravina ity indray. Vao avy any Mahazo ilay fiara, ary handeha hidina an’iny fidinam-be an’Ambohimahitsy dia efa somary naka sisiny sy hafahafa fandeha, raha ny fitantaran’ireo nanatri-maso. Tamin’io fotoana io ihany koa anefa, tokony ho tamin’ny efatra ora sy sasany mahery dimy teo ho eo, no nisy renim-pianakaviana niampita tampoka niaraka tamin’ny zaza, izay nifanandrify indrindra tamin’ity fiara, izay efa tsy afa-nijanona intsony. Niezaka niala ny mpamily, saingy tsy tana intsony ny loza. Voadona ary voarain’ny kodiarana ilay vehivavy. Voatetin’ny aloha ary niraikitra tao amin’ny kodiarana aoriana, izay nanjary tohana ho an’ilay fiara, tsy nahafahany nandeha nintsony. Ny lohany mihitsy no tafasitrika tao ambany kodiarana. Maty tsy tra-drano ity vehivavy manodidina ny 40 taona ity. Naratra mafy vokatry ny dona nahazo azy ihany koa ilay ankizikely nentiny, tokony ho 10 taona teo ho eo, ary nentina novonjena malaky tany amin’ny toeram-pitsaboana. Araka ny fanazavana azo dia tsy tazana teny an-toerana intsony ny mpamilin’izany fiarabe izany taorian’ny fotoana nitrangan’ny loza. Taorian’ny fijerena ifotony zava-nisy moa dia nanokatra avy hatrany ny fanadihadiana ireo mpitandro filaminana ka ny tobim-paritra Ambohimangakely no miandraikitra izany. Efa mandeha ihany koa ny fikarohana ilay mpamily nahavanon-doza.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici