- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversAnôsy : Tsy azo atao intsony ny mitrandraka “corail noir” na tangoaraky

Anôsy : Tsy azo atao intsony ny mitrandraka “corail noir” na tangoaraky

Akoatra ny fangalaran’ny sasany ireo harena sarobidy (bois de rose sokatra, volamena sy safira omby…..) misy amin’iny faritra Anôsy iny , nadritra ny fitondran’ny cr teo aloha ,nanampa-kevitra Ingahy lehiben’ny faritra fa tsy azo atao intsony ny mitrandraka “corail noir” manomboka izao. Momba ity vokatra an-dranomasina iray ity dia efa betsaka ireo teratany vahiny, toy ny sinoa, no mitrandraka azy io an-tsokosoko, ary mahavatra manarama olona maro be hitady azy io any anaty ranomasina lalina. Saika amin’ireo morontsiraka misy any Fort-dauphin no ahitana azy io, ary maro ireo mpivahiny sy  Malagasy avy amin’ny faritra hafa no mira-miasa amin’ireo sinoa voalaza teo. Marihina fa saika isan-kerinandro dia manondrana any ivelany ireto vahiny ireto. Manolona ny fitrandrahana tsy manara-dalàna izay dia nilaza ny tao amin’ny fiadidiana ny faritra Anôsy fa tsy azo atao intsony ny mitrandraka izany “corail noir izany”. Voakasik’izany ireo kaominina manamorona ranomasina.

Rom Farady

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser