Araka ny fanazava azon’ny mpanao gazety dia nomen’ny fitsarana famotsorana vonjy maika ny iray tamin’ireo olona efatra nahiditra fonja vojy maika tao Ambalatavoahangy ny 17 may lasa teo. Raha ny fanadidiana natao teny anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina, dia efa in-3 nangataka fahafahana vonjy maika ny mpandraharaha iray izay voalaza fa isany trondro vaventy amin’izao raharaha izao, ka raha nisy ny fidiran’izany teo anivon’ny vondrom-pitsarana mpamoaka ny fahafahana vonjy maika dia nolavin’izy ireo hatrany izany. Tsy nijanona teo ny raharaha fa noraisin’ny filoha voalohan’ny fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina ny raharaha, ka izao nahazo fahafahana vony maika avy amin’ny fitsarana izao ilay mpandraharaha iray voarohirohy tamin’ny halatra jirofo 25 taonina. Miandry izay ho fanohanana ataon’ny mpanenjika na ny fampanoavana ny rehetra momba izao raharaha izao. Tao anatin’izay dia nanambara ireo niharan’ny halatra jirofo ity, fa tsy mbola tokony noamena fahafahana vonjy maika ity mpandraharaha iray ity satria mbola raharaha faha anenjehana azy koa ankoatra ity resaka halatra jirofo ity. Fantatra anefa araka ny fanadidiana fa mbola nosoloina « pikon-jirofo » ireo jirofo tsara nangalarina nefa efa natao fanagejana, araka ny loharanom-baovao voahangona. Ho hita eo ny tohin’ity raharaha manahirana mety hihitatra amin’ny raharaha hafa ity, satria samy manao izay ho hafany avokoa na ireo voaroiroy mbola mifonja vonjy maika am-ponja, na ireo mpitory sy mpanenjika amin’izao raharaha halatra jirofo izao.
Malala Didier





