Tsy tahotra tsy henatra fa saika hijoko amin’ny andro mazava be ity lehilahy iray nikasa hamaky trano teny Ambatomaro. Andro amin’ny 9 ora maraina izy io no saika hamaky trano teny amin’ny » Cité Universitaire » Ambatomaro. Nisy nahitsikarira anefa ity farany ka raikitra ny antso vonjy. Nitsoaka avy hatrany ary nifanenjehana ka tratran’ny fokonolona ary niharan’ny hatezeram-bahoaka. Samy nanala ny fony teo ny olona ary tsy namelany vahoaka raha tsy nalemy, efa saika nanaraka hatramin’ny ainy. Tonga aloha ihany ny mpitandro filaminana raha tsy izany zava-doza ny niseho. Noentina avy hatrany teny amin’ny paositry ny polisy nanaovana fanadihadiana ary atolotra ny fampanoavana anio ity lehilahy ity. Raha tsy tonga ara-potoana ny mpitandro filaminana, mety namoy ny ainy izy io . Ny olona efa leo ny firongatry ny asa ratsin’ireo tontakely rahateo. Ireo olon-dratsy izay tsy menatry ny mamono raha sendra azy ireo ihany koa. Maro ny mitaraina amin’ny afitsoky ny olon-dratsy, ary ny aza tratran’ny olona ihany koa fa manaraka ny aina.
Yv Sam





