- Publicité -
vendredi, septembre 4, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFitsarana ady heloka bevava Toamasina : Voaheloka fito taona an-tranomaizina ireo jiolahy...

Fitsarana ady heloka bevava Toamasina : Voaheloka fito taona an-tranomaizina ireo jiolahy efa-dahy…

Niakatra fitsarana tao amin’ny fitsarana ady heloka bevava mandeha amin’izao, ilay raharaha fanafihana nitranga tao Andranomadio sy Ambalamanasy ny taona 2020 iny. Nandritra izany ny andian-jiolahy maromaro no nanafika tokantrano efatra indray alina, ka nahatrarana jiolahy enina. Lelalova mitetina 20 tapitrisa ariary sy karazam-pitaovana lafo vidy maro no voaroba nandritra izany. Raha namaky ny antontan-taratasin’ady ny mpirakidraharahan’ny fitsarana ady heloka bevava, dia voalaza fa ny alin’ny 9 desambra nifoha ny 10 desambra tokony ho tamin’ny misasaka alina no niditra an-keriny tao anaty fefin’olona ny jiolahy efatra nirongo fiadiana, basy sy antsy. Ireo efa-dahy nirongo basy sy antsy ireo no niditra ny trano fa ireo hafa kosa tety ivelany nandrahona ireo manodidina te-hamonjy ny zava-nitranga. Avy hatrany dia ny findain’ireo tao an-trano no nalainy. Norahonany izy ireo namoaka ny vola rehetra any aminy ihany koa, ary tsy navelan’izy ireo hiantso vonjy ireo olona tratrany tao an-trano. Tadidin’ilay tompon-trano ny tarehin’ireto jiolahy ireto, tahaka an’i Judy sy Omar Sergio, ary hitany hatramin’ny toerana nisy azy roa lahy ireto mihitsy. Taorian’ny fikarohana raha nametraka fitoriana ireto fianakaviana efatra voaroba ireto, dia raikitra ny fikarohana ny 11 desambra ihany dia efa voasambotra ny roa lahy, ary izy ireo indray no nahafahana nisambotra ireo namany efatra. Tamin’ny famotorana dia niaiky izy ireo fa nanao ny fanafihana. Rehefa tonga tamin’ny fitsarana indray dia nolavin’izy ireoizany. Nolazainy fa noho ny daroka no naneken’izy ireo ny fanadihadian’ny polisy taminy. Niaiky anefa izy ireo fa tsy nisy daroka tao amin’ny mpitsara mpanao famotorana, nefa niaiky ny heloka vitany hatrany ireto andian-jiolahy ireto. Nivoaka ary ny didin’ny mpitsara ady heloka bevava sy ireo mpitsara mpanampy azy fa voaheloka fito taona an-tranomaizina, asa an-terivozona, izy ireo.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici