Vehivavy bevohoka iray no naratra vokatry ny fandonan’ny fiara azy tany Fianarantsoa. Fiara tsy mataho-dàlana iray no tapaka hisatra omaly maraina, teo amin’ny teoarana akaikin’ny FISA Isaha, ka hatrany amin’ny antsoina hoe Phillips. Andrin-jiron’ny Jirama no voadonany ka nianjera tamin’ny tany, ary mbola nandona kioska iray ihany koa. Marihina fa tsy nisy olona tao anatiny. Tsy vitan’izany fa mbola nandona fiara « bâché » iray ihany koa ilay 4X4 vao nifatratra teny amin’ny mpivarotra solomaso, ka vehivavy bevohoka iray no naratra tamin’izany. Voatery nentina tany amin’ny hôpitaly izy io.
Yv Sam




