- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-Divers67Ha : Tratra ilay tovolahy mpanendaka vehivavy

67Ha : Tratra ilay tovolahy mpanendaka vehivavy

Tsy misy afa-tsy ireo vehivavy, sendra mandeha irery no ataon’ity tontakely lasibatra, teny amin’iny faritra 67ha sy ny manodidina iny. Manana ny teti-dratsiny manokana mihitsy ingahirainy, entina hanendahana azy ireo. Tsy misy mpanao ratsy ho afa-maina izany anefa. Ela ny ela, tra-tehaky ny pôlisin’ny kaomisarian’ny boriboritany fahafito ihany ranamana, omaly, noho ireo paik’ady matotra napetrak’ireo mpitandro filaminana ireto, hiadiana amin’ity resaka tsy fandriampahelamana eto an-drenivohitra ity. Araka ny fampitam-baovao avy eo anivon’ny pôlisim-pirenena dia ireo pôlisy manao fanamiana sivily, manao fisafoana sy manara-maso ireo toerana, efa fantatra fa faritra mena teny amin’iny 67Ha iny no nahasambotra an’ity tovolahy ity, raha iny teo am-panantanterahana ny asa ratsiny mihitsy. Tsy lavitry ny fiangonana protestanta iray, tetsy 67ha Avaratra andrefana izy no tratra hoy ny vaovao. Marihana fa ny vehivavy, izay mandeha irery mihazo iny toerana iny, amin’ny hariva na ilay vao maraim-be iny no tena ataony mitondra faisana mihitsy. “Mody arahany moramora avy aoriana ka dominy rehefa varimbariana ary mandritra izany no hakany ny kitapo eny antanany”. Tamin’ity indray mitoraka ity dia teo am-pisintomana ilay poketra mihitsy no nopaingorin’ny pôlisy. Naveriny tsimoramora moa ilay pôketra noendahiny saingy tsy nahafafa velively ny asa ratsy efa vitany efa ela izany. Taorian’io ihany dia nentina avy hatrany nihazo ny biraon’ny kaomisaria ingahirainy nony avy eo, ho amin’ny famotorana.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici