- Publicité SW45 -
dimanche, décembre 22, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbositra : Mpanara-dia dahalo enina maty voatifitra, iray tsy hita popoka

Ambositra : Mpanara-dia dahalo enina maty voatifitra, iray tsy hita popoka

Nisy valo ireo andrimasom-pokonolona fantatra amin’ny anarana hoe Lambamena nifandrina tamin’ireo andian-dahalo, tonga nanafika tao amin’ny tanàn’i Sahatsihara, kaominina Ambalamanakana, distrikan’Ambositra. Efatra tamin’izy ireo no lavon’ireo olon-dratsy. Nisy tompon’omby anankiroa ihany koa maty voatifitra ary olona iray no tsy hita tany nanjavonana. Nahery vaika ! Ny alin’ny sabotsy hifoha alahady lasa teo no nitrangan’ny fanafihan-dahalo tamin’io tanàna iray voalaza etsy ambony io. Teo amin’ny folo mahery teo ireo dahalo nanafika ilay tanàna, izay nitondra zava-maranitra sy ny fitaovam-piadiana mahery vaika. Raha ny fampitam-baovao azo dia nahatratra teo amin’ny folo teo ny omby lasan’izy ireo tamin’io fotoana io. Tamin’io fotoana io ihany dia efa nampandrenesina ny andrimasom-pokonolona fantatra amin’ny anarana hoe Lambamena teo amin’ny manodidina, hanara-dia ny omby very. Nisy valo izy ireo, niaraka tamin’ireo tompon’omby. Teo amin’ny tanàna antsoina hoe Amberobe, fokontany Antanambao, no nifankatratra ny roa tonta. Velona ny fifandonana ary io niafara tamin’ny rà nandriaka sy faty olona niampatrampatra io. Tao anatin’izay ihany koa no nisy nampandre ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Ambatofitorahana. Nandray ny andraikitra avy hatrany izy ireo ary nisy zandary maromaro niainga avy tany amin’ny zanatobim-paritra Sahatsihara, niaraka tamin’ny fokonolona hafa, nanara-dia indray ireto olon-dratsy tafatsoaka niaraka tamin’ny omby, rehefa resin’izy ireo tosika ireo “lambamena”. Tsy nionona tamin’ny fanenjehana azy ireo fotsiny anefa ireto mpitandro filaminana fa napetraka avy hatrany ny paik’ady, hanakanana izay mety ho lalan’ireto malaso ireto : ny tao amin’ny tobim-paritra Manandriana, ny zanatobim-paritra Talata/ Vohimena sy ny Nandihizana. Nilatsaka an-tsehatra ihany koa ny kaomandin’ny vondron-tobim-paritra Ambositra ary fantatra fa handray ny fibaikona ireo olombelona eny an-kianja, handrindra ny hetsika fikarohana ireto malaso ireto ny kaomandin’ny vondron-tobim-pileovana Amoron’i Mania. Hatreto, mbola mitohy ny fikarohana ireto olon-dratsy ireto, raha ny vaovao azo hatrany.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici