Taolam-paty iray gony no hitan’ny olona teny amin’ny tetezana Ankady, tao anaty rano, teny Tanjombato tamin’ny alatsinainy teo. Samy variana tokoa ny rehetra nahita zavatra hafahafa. Rehefa nojerena ilay izy, hay taolam-paty ana olona. Nofonosina bodofotsy aloha izay vao natao tao anaty gony ireo taolana ireo. Nampandrenesina ny zandary ary nojerena ilay fonosana. Amin’ny antsipiriany : taolam-pen’olon-dehibe valo, taolana kely, voalaza fa ana zaza efatra, taolan-damosina 17 ary taolana hafa ihany koa. Tato ho ato, mirongatra ny vaky fasana tety amin’ny manodidina ny renivohitra. Hatramin’izao aloha, tsy fantatra izay fasana vaky nangalarana ireo taolona hita teny Ankady ireo. Vao tsy ela no nisy ny vaovao fa vaky ny fasana teny Ambohitrombiavana. Torak’izany koa teny Ambohimalaza. Mandeha hatrany ny fanadihadiana ary misy ny sahy miteny fa, misy mpiaro ireo mpangalatra taolana ireo, satria hatramin’izao ireo mpitondra ny taolana hatrany no tratra fa izay mpaniraka, voalaza fa any amin’ny toerana ambony any no misy azy, tsy voaelingelina mihitsy. Nisy manamboninahitra, teo amin’ny fitondrana teo aloha aza moa efa nilaza fa ahodina orinasa iray ireny taolana angalarina ireny ho akora fototra. Hanaovana inona? Io no tsy fantatra hatramin’izao.
r.s.