Zaza varira tokony ho herintaona sy tapany no nanjavona tao Ikongo ny alatsinainy lasa teo. Tsy vitan’izay anefa, raha ny fampitam-baovao azo avy amin’ny zandamariam-pirenana fa mbola novonoina ihany koa ny renin’izany zaza izany. Tranga mahatsiravina tokoa no niseho tao amin’ity tanana iray antsoina hoe Ambohimariry, fokontany Ambatolampy, kaominina sy distrikan’Ikongo, ny voalohan’ny herinandro teo. Renim-pianakaviana iray mantsy no hita faty tao amin’io tanana io. Raha ny fanadihadiana voalohany dia fantatra avy hatrany fa novonoina ity ramatoa ity. Ankoatr’izay anefa, raha ny angom-baovao azo dia nananjanaka ity ramatoa ity, irony zaza “albinos” na zaza varira irony. Noheverina araka izany fa nalain’ireo olon-dratsy tompon’antoka tamin’ity vono olona ity, izany zaza izany. Efa nisy moa ny fidinan’ireo tompon’andraikitry ny filaminana tany an-toerana, na ny teo anivon’ny zandary izany na ny pôlisy. Tamin’io fotoana ihany dia efa natao ny fikaroham-baovao sy ny fanarahan-dia, izay notarihan’ny lefitry ny kaomandin’ny vondro-tobim-paritra Manakara. Marihana fa toerana somary mitoka-monina sy lavi-dalana ity tanana nisiana trangana vono olona, raha ny voalazan’ny loharanom-baovao. Antony somary nanahirana tamin’ny nahazoan’ireo tompon’andraikitra ny vaovao. Tsy voafaritra araka izany, ny tena fotoana nitrangan’izany vono olona sy fakàna an-keriny izany, na isan’ireo nahavanon-doza na ny toerana mety nandosiran’izy ireo. Na izany na tsy izany aza anefa, efa napetraka ny paik’ady rehetra hanaovana hazalambo azy ireo. Efa nampandrenesina ihany koa ireo tobin’ny mpitandro filaminana manodidina ary ny sakana rehetra eny amin’ny lalana izay mety nitsoahan’ireto olon-dratsy ireto. Mbola mitohy araka izany any an-toerana ny fikarohana izany zaza nisy naka an-keriny izany.
m.L




