- Publicité -
lundi, août 31, 2026
AccueilFaits-DiversFenoarivo Ambohimiarina : Tany ifandroritana amin’ny fiangonana

Fenoarivo Ambohimiarina : Tany ifandroritana amin’ny fiangonana

Fianakaviana iray mipetraka ao amin’ny fokontany Ambohimiarina anatin’ny kaominina Alakamisy Fenoarivo no mitaraina amin’ny fifanolanana  ady tany eo amin’izy ireo sy ny fiangonana iray. Tany mirefy 10 ara mahery no nalain’ny fiangonana ao an-toerana. Nanambara ramatoa Raharinirina fa nomen’ny raibeny hampiasain’ny fiangonana ny tany 10 ara amin’ny 18 ara tamin’ny taona 1972 saingy misoratra ara-dalana amin’ny tompony izany fa tsy mbola nisy ny famindrana azy ho amin’ny anaran’ny fiangonana. Ny taona 2008 anefa, nisy ny fifanolanana teo amin’ny zanaky ny tompon’ny tany sy ny tomponan’andraikitra tao amin’ny fiangonana. « Nilaza ny avy ao amin’ny fiangonana fa azy ny tany, nefa tsy nisy taratasy ara-dalana manamarina izany tamin’izany », hoy ny fanazavana. Nampiakatra ny raharaha teny anivon’ny fitsarana ny avy amin’ny tompon’ny tany ny taona 2013 manambara ny fanoherana ny maha an’ny fiangonana ny tany miaraka amin’ny taratasy ara-dalàna maha azy ireo izany. Nivoaka ny didy tamin’ny 2016 manambara ny faharesen’ny tompony na teo aza ny taratasy maha ara-dalàna azy ireo ny tany 18 ara. Namboatra taratasy avy hatrany ny fiangonana ary nahazo izany, manambara fa azy ireo ny tany 10 ara amin’ny 18 ara.

Manoloana izany dia mihevitra ny tompon’ny tany fa misy resaka kolikoky avo lenta amin’ny raharaha satria tsy misy ny porofo, na taratasy manamarina fa an’ny fiangonana ny tany. Nambarany tamin’izany ihany koa fa ny 5 febroary 2018 no nivoaka ny fandravana didy, izay tsy neken’ireo mpifanandrina aminy fa hoe tara ny fivoahany. Mbola mitohy ny raharaha eny anivon’ny fitsarana satria tsy nanaiky ny didy nivoaka ny avy amin’ireo tompontany izay manana porofo mazava tena maha azy ireo ny tany. Nandefa fitarainana tao amin’ny fitsarana ny alakamisy 18 aogositra izy ireo noho izany. Andaniny, nanao fanorenana sy famefena ny tany ny fiangonana nefa mbola ao anatin’ny ady ara-pitsarana tanteraka. Nangataka ny hanafainganana ny raharaha ny avy amin’ireo tompontany saingy nilaza ny avy ao amin’ny fitsarana faran-tampony fa amin’ny volana janoary 2023 vao afaka mikitika ny taratasy mahakasika ity adi-tany ity. Manao antso avo amin’ireo andrim-panjakana mba ijery akaiky zava-misy ireo tompontany izay mbola tsy mahazo ny rariny hatreto.

Yv Sam

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici