- Publicité -
lundi, août 31, 2026
AccueilFaits-DiversFihaonamben’ny STK FJKM Toamasina : Hatao ao Antananarivo ny andiany faha-10 afaka roa...

Fihaonamben’ny STK FJKM Toamasina : Hatao ao Antananarivo ny andiany faha-10 afaka roa taona…

Nifarana ny alahady teo ny andiany faha-09 tamin’ny fihaonamben’ny Sampana Tanora Kristiana na STK FJKM natao teto Toamasina nandritra ny dimy andro, 24 aogositra hatramin’ny 28 aogositra 2022. Tanora an’alina tamin’ireo synodam-paritany misy eo anivon’ny fiangonana FJKM hatramin’ireo synodam-paritany tany am-pitandranomasina, samy nahatonga solon-tena avokoa ka ny synodam-paritany faharana 21 no nahatonga tanora be indrindra satria an’arivony izy ireo no tonta teto Toamasina. Loha-hevitra noraisina nandritra ity fihaonamben’ny STK ity ny hoe « STK Mafihorina, mitondra fihovana… ». Nandritra izany no nilazan’ny mpitandrina nanao ny toroteny fa « ny tanora STK miova dia tsy maintsy Mihaino ny tenin’Andriamanitra, Mianatra ny tenin’Andriamanitra ary Mijoro amin’ny tenin’Andriamanitra… ». Ny sabotsy teo ihany koa dia nisy ny fampianarana nentin’ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc momba ny « hai-tarika » na « leadership ». Nandritra izany no nilazany fa « ny olombelona iray dia olom-pirenena aloha izy vao olom-piangonana ». Araka ny fanazavana nomen’ny birao foiben’ny FJKM taorian’ny fanolorana ny amboara ireo telo voalohany tamin’ny fifaninana natao, dia ao Antananarivo no hatao ny fihaonamben’ny STK andiany faha-10 afaka roa taona. Ankoatra izany ny alatsinainy tolakandro teo koa no nihainga nihazo an’Antsirabe ireo tanora Kristiana Katolika marobe hamonjy ny JMJ na “Journée Mondiale de la Jeunesse” andiany faha-09, taorian’ny tso-drano nataon’ny vikera jeneralin’ny fiangonana Katolika. Ireo tanora isaky ny paroasy tsirairay avy no niainga teo anoloan’ny lapan’ny Tanana araka ny fandaharam-potoan’izy ireo. 

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici