- Publicité -
lundi, août 31, 2026
AccueilFaits-DiversVAKINANKARATRA : Ben’ny tanana 24 nosalorana samboandy

VAKINANKARATRA : Ben’ny tanana 24 nosalorana samboandy

Tontosa ny fihaonam-ben’ny kaominina 90 mandrafitra ny faritra vakinankaratra  tamin’ny alalain’ny foara ben’ny kaominina natao teo amin’ny  lalan’ny fahaleovan-tena Antsirabe. Ny fikamban’ny ben’ny tanana eto vakinankaratra na AMRV « Association des maires de la region du Vakinankaratra » no tompomarika tamin’ity hetsika ity izay tarihirin’ny ben’ny tananan’ Antsirabe no sady filohan’ny fikambanana.

Ankoatra ny maha tsena be azy dia natao hifaneraserana, hifampiresahana sy hifanakalozana traikefa ny hetsika toy izay hoy ny ben’ny tanan’Antsirabe, indrindra hifanakalozana traikefa amin’ny lafiny fitantanana satria tsy misy ny  sekoly fianarana ho ben’ny tanana. Nisy rahateo ny valan-dresaka narahina adihevitra niarahana tamin’ny ben’ny tanana sy ny mpandraraharaha ary ny tompon’andraiki-panjakana mahakasika ny resaka fitantanana kaominina izay.

Hateloana ny faharetan’ny hetsika, nofaranana tamin’ny fomba ofisialy ny Sabotsy 27 Aogositra lasa teo, fotoana izay natrehin’ny minisitry ny Atitany sy fitsinjaram-pahefana Tokely Justin ka nanoloran’ity farany ny samboady  ho an’ireo ben’ny tanana miisa 24 izay mbola tsy nisitrika izany.

Andry N.

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici