- Publicité -
mardi, septembre 16, 2025
AccueilFaits-DiversBelo Tsiribihina : Jiolahy raindahiny voasambotry ny pôlisy

Belo Tsiribihina : Jiolahy raindahiny voasambotry ny pôlisy

Ny voalohan’ny herinandro teo, rehefa nisy ny vaovao azon’ny pôlisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny Belo Tsiribihana dia niroso tamin’ny fisamborana lehilahy iray, izay ahiana mafy ho olon-dratsy sy jiolahy tompon’antoka tamin’ireo fanafihana maromaro niseho tany an-toerana izy ireo. Tamin’ny fokontany iray antsoina hoe Ambohidrahay no voalaza fa niery ity lehilahy ity, ka io nidinan’ireo pôlisy tany an-toerana io. Raha ny fampitam-baovao azo tokoa mantsy dia efa voatonona matetika ny anarany tamin’ireo fanafihana nisesisesy tany an-toerana, ary mety ho anisan’izany ilay vono olona mahatsiravina niseho vao andro vitsy lasa teo izay. Ambonin’izay, nambaran’ny fampitam-baovao ihany koa fa efa olona karohina fatratra ity lehilahy nosamborin’izy ireo ity. Efa nisy mantsy ny taratasy fampikarohana azy, navoakan’ny Fitsaràna tany Morondava, ny 25 aprily lasa teo, noho ny resaka asan-jiolahy sy ny fanafihana mitam-piadiana hatrany. Tamin’ny fotoana nisamborana azy dia mbola tratra tao amin’ilay trano niafenany ny fitaovam-piadiana iray, basim-borona, izay tsy nanany taratasy fahazoan-dalana, hoy hatrany ny vaovao. Ankoatr’izay dia mbola nisy bala enina ihany koa tany aminy ary ody gasy sy mohara maro dia maro. Tsy vitan’izay anefa fa mbola nahitàna fitafy fitondran’ny dahalo manao ny asa ratsiny ihany tao aminy. Nentina nogiazana avokoa izany zavatra hita tao aminy izany. Izy kosa, avy hatrany dia nentina nihazo ny biraon’ny kaomisarian’ny Belo Tsirihibihana, ho amin’ny famotorana. Mbola eo am-panaovana ny famotorana lalina mahakasika azy moa hatramin’izao ireo tompon’andraikitry ny filaminana. Heverina fa mantsy fa tsy maintsy misy namany mety mbola miriaria ihany any na mety nioman-komana ny hanao fanafihana indray izy ireo, matoa hita tao amin’io tanàna io.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici