Roa lahy, mpanendaka nampitondra faisana iny faritra Antohomadinika sy ny manodidina iny no voasambotry ny pôlisy avy etsy amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahefatra ny talata lasa teo. Tra-tehaka niaraka tamin’ny fitaovam-piadiana fampiasany. Anisan’ny faritra mampikolay ny rehetra ihany ny mandalo eny amin’iny faritra Antohomadinika iny, indrindra fa rehefa manomboka mihamaizina, na ilay vao maraim-be iny ny andro. Faritra iray no tena fanta-daza sy voalaza fa mena tanteraka dia ny eo amin’ny fiantsonan’ireo fiara mpitatitra eny an-toerana. Araka ny fantatra dia efa maro ireo fitairanana no tonga eny anivon’ny pôlisy. Antony hanaovan’izy ireo hetsika sy fisafoana manokana teny amin’iny faritra iny. Tamin’izany fisafoana izany indrindra, tokony ho tamin’ny efatra ora tolakandro teo no nahatsikaritra lehilahy roa, izay efa fantampatatry ny rehetra eny an-toerana ihany fa isan’ireo tontakely kalazalahy amin’ny resaka fanendahana eny an-toerana, ireto mpitandro filaminana. Izy roa lahy ihany koa, tetsy andanin’izay, toa nanao fihetsika nampiahiahy tanteraka, ka avy hatrany dia nanatonan’ireo pôlisy. Tsy niandry ny horaisim-potsiny anefa izy roa lahy ireto fa nanao tongotra an-katoka avy hatrany, raha vao hitan’izy ireo fa nanatona azy ireo pôlisy. Raikitra teo ny fifanenjehana. Tsy lasa lavitra akory anefa dia voasambotra, raha nikasa ny hiditra elakelan-trano avy hatrany. Nitondra sakaosy kely izay ry zalahy ireto ka rehefa nosavaina ny tao anatin’izany dia nahitàna antsy sy « seringue ». Fitaovam-piadiana fentin’izy ireo manao ny asa ratsiny, hoy ny loharanom-baovao. Marihana fa antsy toy ireny fampiasantsika any an-dakozia ireny ity hita tany amin’izy ireo ity, kanefa heverina fa raha eny an-tanan’olon-dratsy izany, dia azo inoana fa tsy voatabia sy tongolo irery no mety ho voatetiny. Ilay « seringue », indray raha ny vaovao azo hatrany dia toa hoe fampiasan’izy ireo amin’ny fandraisana zava-mahadomelina. Tamin’io fotoana io ihany moa dia nentina nihazo avy hatrany ny kaomisaria izy roa lahy ireto. Izy ireo, izay rehefa natao tokoa ny fakàna am-bavany azy ireo dia tontakely, efa raindahiny tanteraka, ary karohin’ireo polisy fatratra.
m.L