- Publicité SW45 -
mercredi, janvier 15, 2025
AccueilFaits-DiversAnkadimbahoaka : Pasitera voapanga ho nanolana ankizivavy 3 mpivavaka ao aminy

Ankadimbahoaka : Pasitera voapanga ho nanolana ankizivavy 3 mpivavaka ao aminy

Ilay pasitera mpanolana.

Sady naholany no mbola nampiasainy ho azy ihany koa ireto tovovavy 3 ireto. Pasitera iray, 34 taona amina fiangonana zandriny eto Antananarivo renivohitra no natolotra  ny fampanoavana omaly rehefa notanana eo anivon’ny Sampan-draharahan’ny Polisim-pirenena misahana ny zaza tsy ampy taona (PMPM) etsy Tsaralalana ny alarobia faha 31 aogositra 2022 lasa teo noho ny antony fanolanana. Izany no niseho dia noho ny fitorian’ireto ankizivavy 13 taona, 18 taona ary 19 taona ireto teo amin’ny PMPM tamin’io alarobia io. Nilaza ireto farany fa niharan’ny herisetra ara-nofo nataon’ny pasitera mpitarika ny fiangonan’izy ireo etsy Ankadimbahoaka. Manoloana izany dia nanokatra fanadihadiana avy hatrany ny Polisy ary tamin’ny fizahan’ny mpitsabo no nahitana fa simba noho ny fanararaotana ara-nofo nihatra taminy izy 03 vavy ireto. Nohadihadiana izy 03 vavy ary nilaza fa mpiofana ho pasitera ao amin’ilay fiangonana izy ireo. Tamin’ny fotoana samihafa no nosehoan’ny fanolanana, ary efa miverimberina izany. Tsy nahasahy nitantara anefa ireto zatovovavy ireto noho ny tahotra satria ampihorohoroin’ilay pasitera izay milaza azy ho « profety » izy ireo. Ankoatr’ireo fampihorohoroana maro mantsy dia milaza ho mahafantatra olona ambony i profety. Nitantara ihany koa ireo ankizy voaolana ireo fa asain’ity profety ity mandihy sy mitaty rakitra eny an-tsena, ka ny vola rehetra, izay mitetina 80.000ar mahery isan’andro, dia angoniny ary 2 000ar no mba omeny ireo ankizy.

T.M.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici