- Publicité -
vendredi, septembre 11, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFanaparam-pahefana : Nanokafana fanadihadiana ilay kolonely, talen’ny kabinetra ny faritra Melaky

Fanaparam-pahefana : Nanokafana fanadihadiana ilay kolonely, talen’ny kabinetra ny faritra Melaky

Mazava ny tenin’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena, ny Jly Serge Gellé fa tsy miaro velively zandary manao ny tsy marina izy. Araka izany, taorian’ilay raharaha nahavoarohirohy ny talen’ny kabinetran’ny faritra Melaky, manamboninahitra kolonely eo anivon’ny zandarimariam-pirenana, tamin’ny resaka fanamparam-pahefana tany Maintirano dia nambaran’ny tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny zandarimariam-pirenana ity fa tsy maintsy nanokafana fanadihadiana izy ary nesorina tamin’ny toerany. Mazava ho azy amin’ny toe-javatra tahak’ity dia tsy mila akory alalàna fanenjehana avy amin’ny SEG vao afaka henjehina izany manamboninahitra izany satria tsy tao anatin’ny asany velively amin’ny maha-zandary azy izy no voalaza fa nanao ny tsy nety.

Nitàna ny sain’ny maro tokoa ity raharaha iray tany Maintirano ity. Raha tsiahiviana dia niainga tamin’ny fanakanana sy fisamborana ny mpamilin’ity tompon’andraikitra teo anivon’ny faritra ity ny raharaha. Tsy nety nosakananan’ireo pôlisy tany an-toerana ity mpamily ity no mbola nanivaiva sy nanompa ireo pôlisy. Nosamborina avy hatrany izy ary notanana natao andrimaso. Niditra an-tsehatra ingahy Tale, ary tonga tany amin’ny biraon’ny kaomisaria mihitsy, niaraka tamin’ny fanamiana amin’ny maha manamboninahitra zandary azy. Voalaza mihitsy fa namoaka ilay mpamiliny tao, rehefa “nandrahoana” ilay mpiambina tamin’ny fitaovam-piadiana teny an-tanany: basy sy antsy, raha ny fampitam-baovao azo. Efa eo am-panaovana ny fanadiadiana rehetra moa ireo tompon’andraikitra amin’izany. Efa nivoaka ihany koa ny baiko ny hisamborana tsy misy atak’andro ilay mpamilin’ingahy Talen’ny kabinetra. Andrasana ihany koa arak’izany, izay mety ho tohin’ity raharaha ity. Tato ho ato tokoa mantsy izay dia saika maromaro ihany ireo raharaha nahavoakasika tompon’andraikitra ambony sy olona manana fahefana teto amintsika.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici